• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Madagasikara

Taombaovao Malagasy - Ambohidrabiby : "Tsy azo amidy ny Fidiovana"

18/03/2026 17:59 © Moov

Anisan'ny vohitra kalaza amin'ny fankalazana ny Taombaovao Malagasy ny eny Ambohidrabiby. Roa andro ny fankalazana, dia ny 18 marsa fiandrasana ny taombaovao ary ny 19 marsa andro voalohany amin'ny taona.

Miha-mitombo hatrany ny Malagasy liana amin'ny fankalazana ny Taombaovao Malagasy. Taona vitsy izay, misy ireo mpandala fomban-drazana na fikambanana na olon-tsotra mivarotra "Fidiovana". Nanitsy izany hevi-diso sy fanao mifanipaka amin'ny kolontsaina Malagasy izany indrindra ny taranak'Ambohidrabiby, notronin'ny taranak'Antehiroka. Any amina loharano madio iray mantsy no angalana ny rano, alaina maimaimpoana ka zaraina maimaimpoana. Fahasoavana rahateo no zaraina ka tsy tokony ho tambazana vola. Anisan'ny mamotika ny koldontsaina Malagasy araka izany ny fampiasana hafetsifetsena samihafa ho takalon'ny fahasoavana atolotra ny olona.
Marihana fa mety hisy fangarony ilay rano fidiovana, arakaraka ny finoana sy ny fanaon'ny vohitra na vondrona tsirairay, saingy tokony ho maimaimpoana hatrany izany.

Olona voadio, olom-baovao

Rehefa vita ny fidiovana dia aroso ny fandrehetana ny Afo tsy maty. Mbola anisan'ny fidiovana ihany mantsy ny afo, nefa adika ho fandraisana hery ihany koa. Ny afo mirehitra dia mandrava ny herin'ny ratsy sady mitondra ainga vaovao hiatrehana ny taona vaovao.
Misy araka izany ny toromarika omen'ny tompon'andraikitra. Arehitra amin'ny alalan'ilay Afo tsy maty ny labozia ka atao izay tsy hahafaty azy na mitsoka aza ny rivotra. Azo atao tsara ny manonona ny faniriana na manao voady, ka rehefa vita izany dia asaina kapohin'ny namana eo akaiky ilay labozia mba ho faty. Tsy azo tsofina ilay jiro, mba tsy ho foana ilay fikasana notononina. Entina mody avy eo ilay labozia ka azo atao ny mandrehitra azy indray rehefa manana faniriana tiana ho tanteraka.
Ho an'ireo manana fitahirizana jiro moa, tsy vonoina ny labozia raha tsy ny marain'ny taombaovao.

Fandaharam-potoana
Ny andron'ny Taombaovao Malagasy 2026, ny alakamisy 19 marsa, manomana lanonana miavaka ny eny amin'ny Rovan'Ambohidrabiby, toerana nanjakan-dRalambo. Hisy ny Fidiovam-pirenena, Lahateny sy tsodrano, fafy rano, tatao, zarahasina, seho an-kabary & dihy mirindra ary ny Hiragasy.
Mazava hoazy, hisy ny famonoana omby volavita, arahin'ny nofon-kena mitam-pihavanana. Tanjona moa ny fampiraisana ny Malagasy satria tsy anavahana foko, fiaviana na finoana ny fankalazana eny an-toerana.

Lire la suite

Articles Similaires