• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Net
Image
Madagasikara

Mahamasina : Toerana manan-kasina amin'ny Malagasy

18/02/2026 12:17 © Moov

Nanapa-kevitra ny hamerina ny anarana "Kianjan'i Mahamasina" ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina, ho famerenan-kasina.

Toerana mirakitra tantara tsy tontan'ny ela, hatramin'ny vanim-potoana faha-Mpanjaka, i Mahamasina. Kianja malalaka famoriana vahoaka no teo, izay natao fisehoan'ny Mpanjaka vahoaka sy fanamasinana ireo Mpanjaka. Nisy moa ny vatomasina najoron’ny Mpanjaka Ranavalona I, ka izany no nahatonga ny anaran-toerana hoe Mahamasina.

Fiovan'ny tantara niaraka tamin'ny vanim-potoana

Nanomboka namiratra teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny ekipam-pirenena mpilalao baolina kitra BAREA, tamin'ny taona 2019. Re manerantany mihitsy ny lazan'i Madagasikara. Teo indrindra no nanapa-kevitra ireo tompon'andraiki-panjakana, notarihin'ny filoha teo aloha Andry Rajoelina, fa hisy ny fanavaozana sy fanitarana ny kianja. Etsy ankilany, tsy misy toerana fanasinana na fanatanterahana fomba malagasy ny toerana : ny fanatanjahantena no tena ampiasana azy. Tamin'ny taona 2021 no vita ny asa, izay nanomezan-danja sy nisaorana manokana ireo mpanao baolina Malagasy. Mahazaka 40 260 olona moa ny kianja.
Noho ny asa goavana nefa dia tsy maintsy nakisaka ilay vato masina napetraky ny Mpanjaka Ranavalona I, izay adika ho fanotana fady. Eo ihany koa ny fanovana ny anaran'ny kianja, izay nanariana tanteraka ilay teny hoe "Mahamasina". Toa toerana tahaka ny toerana rehetra araka izany ilay "Mahamasina" ka very tanteraka ny tantara sy ny hasina.

Famerenan-kasina

Toerana manan-tantara ny kianjan'i Mahamasina, ka izany no anton'ilay famerenana anarana, kasain'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina. Tsy tamin'ny vanim-potoana faha-mpanjaka ihany mantsy no nanatanterahana "raharaha masina" tao, fa mitohy hatramin'izao izany. Teo amin’io vato masina napetrak'i Ranavalona I io mantsy no nanambaran’ny Filoham-pirenena Malagasy voalohany, Philibert Tsiranana, ny fiverenan’ny fahaleovantena sy fijoroan’ny Repoblika voalohan’i Madagasikara. Mbola ao Mahamasina ihany koa no fanaovana ny fianianan'ireo filoham-pirenena voafidim-bahoaka mifandimby, sady fandraisana ireo matso isaky ny fankalazana ny fetim-pirenena.

Lire la suite

Articles Similaires