Fanaka Palissandre : Tsy mety amin'ny tanora vao mihary tokoa ve ?
Tsy vitsy ireo ray aman-dreny sy mpandala fomban-drazana Malagasy manafatra mafy fa "tsy natao ho an'ny tanora vao mihary ny fanaka na kojakoja isan-karazany vita amin'ny Palissandre".
Hazo tsara kalitao, ao amin'ny fianakaviamben'ny Fabaceae, ny Palissandre. Toerana mafana nefa mandomando no tena haniriany, ka hahitana azy any Amerika, Inde, Brésil, sns. Misy azy io ihany koa eto Madagasikara. Ny "Palissandre de Rio" na "Dalbergia nigra" no tena amidy lafo nefa be mpitady raha ao Frantsa manokana.
"Hazo maty"
Anisan'ny hazo tena maharitra indrindra sady lafovidy ny Palissandre. "Hazo maty" no ilazana azy satria tsy miova na ny endriny na ny habeny rehefa arafitra : tsy tahaka ny "hazo pin" izay miaina ka miha-kely na miha-fisaka rehefa mandeha ny fotoana.
Noho izany indrindra, hanamboarana fanaka maro lafovidy ny Palissandre, na eto Madagasikara na manerantany : seza, latabatra, varavarana, fandriana, karazam-bata, sns. Misy mihitsy aza ireo manamboatra tranokely, gorodona na lavarangana vita amin'ny Palissandre, indrindra ireo hotely na trano lehibe mandray vahiny manan-kaja matetika. Azo anamboarana kojakoja isan-karazany ihany koa ny Palissandre, indrindra ny haingon-trano : sary sikotra, "pions" amin'ny "jeux d'échecs", vatakely fitoerana firavaka, sns.
Marobe ihany koa ireo karazan-java-maneno vita amin'ny Palissandre, indrindra ny lokanga sy ny gitara. Ny Gitara vita amin'ny "Palissandre de Rio" Taylor 814ce ohatra dia amidy 5 496 euros na 27 780 000 Ariary.
Finoana Malagasy
Amin'ny maha-hazo maty ny palissandre, tsy mihetsika izy : mijanona hatreo ny fiainany. Izany indrindra no tsy tokony ampiasan'ny tanora vao mihary azy, indrindra ireo mpivady vao, satria sao tsy mandroso ny fiainana. Heverina izany fa mety hampihitsoka ny fiainana, na ara-bola na arak'asa, ny fampiasana fanaka na kojakoja vita amin'ny Palissandre. Rehefa efa nahatsangan-javatra maro, izany hoe any amin'ny faha-efapolo na faha-dimampolo taona any ho any, vao tokony mampiasa Palissandre. Amin'ireo mpitahiry ny hasina maha-Malagasy, tsara raha hazo miaina toy ny "pin" no akora fototr'ireo fanaka ampiasaina ao an-trano.
Marihana fa anisan'ny tsy mifanaraka amin'ny finoan'ny Malagasy ihany koa ny fanaka vita amin'ny Bambou. Io hazo io moa dia poak'aty, ka heverina fa mety ho toy izay ny fiainana raha mampiasa azy.


