• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Malagasy Ve Ianao
Image
Madagasikara

Vakansy miavaka : 'Ndao ho any Ambila Lemaitso

27/07/2024 06:40 © Moov

Anisan'ny toeram-pialantsasatra tena manintona ny maro ny faritra Atsinanana. Tsy voatery ho any Toamasina na Foulpointe foana nefa. Misy tananakely misy ranomasina tena mahafinaritra amin'iny lalampirenena faharoa iny : Ambila Lemaitso. Voadidin'ny Lakandranon'i Pangalana sy ny Ranomasina io paradisakely io.

Manaraka ny lalampirenena faharoa iny no hahatongavana ao Ambila Lemaitso. Rehefa tonga eo Brickaville dia mandeha lalana eo ho eo amin'ny 18 kilometratra. Madio rivotra sady tsy hahenoana tabataba ao, ka izany indrindra no manintona ireo olondroa na fianakaviana te hialasasatra. Misy ranomasina ao an-toerana, saingy tsy azo isangiana firy satria mahery ny onja. Na izany aza, tsy manpaharoa ny hatsaran'ny torapasika. Tsy dia mandoro ny hafanana, sady maro ireo "palmiers coco" manome alokaloka. Misy tokoa ireo mpivarotra voanio fangalana ranony amin'ny vidiny mirary. Ny rano amin'ny Canal des Pangalanes moa no tena mahasarika ny mpivahiny satria azo itsangatsanganana an-tsambokely tsara. Azo atao ihany koa ny mihazo an'i Manambato, hankafizana ny "Lac Rasoabe", izay manonja toy ny ranomasina mihitsy. Misy biby mahafinaritra any an'ala, ho an'ireo mpankafy ny natiora, toy ny sifaka. Saika trano vita amin'ny hazo sy zozoro ary mitafo Ravinala no hita any an-toerana.
Tongan'ny fiara rehetra ny toerana, na dia somary ratsiratsy aza ny lalana. Fiara avo no tena tsara entina any, ary vanimpotoana maintany no tena tsara andehanana (jona hatramin'ny novambra). Tsy fiara ihany nefa no tonga any Ambila Lemaitso fa misy ihany koa ny lakana sy fiarandalamby, izay amin'ny sarany 5 000 ariary isan'olona.

Fizahantany anatiny

Anisan'ny tanjon'ny ministeran'ny Fizahantany ny fampiakarana ny isan'ireo Malagasy mitsidika an'i Madagasikara. Maro mantsy ireo mivoaka any ivelany mba hisitraka toerana mahafinaritra. Manankarena toerana mahavariana nefa ny nosintsika, ary heverina fa tsy mandany vola mihoatra ny mankany ivelany indray mandeha ny fandehanana amin'ny toerana marobe. Efa maro ireo "agence de voyage" no manana tolotra isan-karazany hahafahana mitsidika toerana iray na maromaro isaky ny dia.
Amporisihina ny rehetra mba hanome lanja ireo toeram-pizahantany rehetra eto Madagasikara, any avaratra ka hatrany atsimo, any andrefana hatrany Atsinanana. Ny vahiny aza mantsy mitsidika ny nosintsika, nefa vitsy amintsika no tena efa nizaha ny tanintsika.

Lire la suite

Articles Similaires