• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Madagasikara

Tafo vita amin'ny Ravinala : Maharitra 5 taona

24/07/2024 07:42 © Moov

Anisan'ny zavamaniry mampiavaka an'i Madagasikara ny Ravinala na "Arbre du Voyageur". Tsy vitsy ireo orinasa Malagasy mampiasa ny sarin'io zavamaniry io amin'ny sary famantarana (logo). Any amin'ny faritra Atsinanana any, fanamboarana tafo mora nefa mateza ny Ravinala.

Ravinala, tafo ho an'ny tranohazo na tranozozoro

Raha mahatsikaritra isika dia saika trano hazo misy tafo Ravinala avokoa ny fonenana amin'iny lalampirenena faharoa iny, indrindra moa rehefa ilaozana zato kilometatra eo ho eo Antananarivo. Tsy dia mahazatra ny mponina amin'ny tany mafana sy be orana ny "construction en dur". Tsy azo lavina kosa nefa fa efa miha-mivoatra ny mikasika ny toeram-ponenana azo antoka ho an'ireo faritra manakaiky ny ranomasina. Tsy ho foana mihitsy nefa ny trano gasigasy satria mitahiry kolontsaina sy tantara sarobidy izany.
Maharitra 5 taona eo ho eo ny tafo vita amin'ny Ravinala. Efa misy olona matihanina amin'izany, fa tsy hoe apetrapetraka fotsiny ny ravina. Mila atao maina tsara mantsy ny Ravinala, sady arindra tokoa mba tsy hidiran'ny rano na ho lasan'ny rivotra mora foana. Matetika dia ravina mbola maitso no alaina ka atao izay hahamaina azy sady mitsotra tsara. Arakaraka ny haben'ny trano izany ny isan'ny ravina ilaina sy ny sandan'ny fanamboarana. Rehefa te hisolo ny tafo dia lasa mielakelaka be ny ravina. Azo atao nefa ny manolo izay faritra simba fotsiny, raha mbola tsara ny ankamaroan'ireo Ravinala.
Any Sainte-Marie ohatra, maherin'ny 80%-n'ny trano sy ny tsena dia mbola mitafo Ravinala avokoa. Misy amin'ireo trano fandraisam-bahiny avolenta aza no misafidy ny "bungalow" hazo mitafo Ravinala. Mampisongadina ny maha-izy azy io Nosikely io ny fitazomana ny fanorenan-trano sy ny endrika gasigasy. Ireo hotely, toeram-pisakafoanana na trano fivarotana lehibe hatreto no manana trano mafy orina (construction en dur). Tsara ny manamarika fa azo anamboarana rindrina ihany koa ny Ravinala.
Misy ihany ireo mampiasa ravin'akondro, saingy tsy maintsy atao matevina be, no mora simba kokoa. Eo ho eo amin'ny roa taona dia tokony soloina ny tafo vita amin'ny ravin'akondro.

Ravinala, azo asolo lovia

Tsy anaovana tafo ihany no ilana ny Ravinala. Azo atao lambanana hihinanana na ivarotana izy io. Ravina maitso tsara no alaina androsoana sakafo, indrindra rehefa mandray vahiny, na fety, na fahoriana. Antsoina hoe "lambanana" izy io rehefa apetraka ambony latabatra atao lavabe ka hamelarana sakafo ho an'olona maro. Azo tapatapahina somary kelikely ihany koa ny ravina mba ho solon-dovia ho an'ny tsirairay. Maro ihany koa ireo mpivarotra any Atsinanana any no mamelatra ny trondro amidiny amin'ny Ravinala.
Efa miha-lany tamingana ny Ravinala. Raha ny fangalana ny raviny maina nefa dia tsy manimba azy velively, satria mihamaina mihitsy ny raviny mihaantitra ka misondrotra ny raviny vaovao avy eo ampovoany. Koa satria ilain'ny Malagasy maro amin'ny fiainana andavan'andro io karazana zavamaniry io, any amin'ny fikojana ny ala no ilana fanentanana. Sorohana amin'izany ny doro tanety, mba tsy hahafaty ireo zavamaniry.

Lire la suite

Articles Similaires