• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Madagasikara

Piscine naturelle Ambodiatafana : Toeram-pizahantany mahasarika ao Sainte-Marie

21/07/2024 07:30 © Moov

Mbola ao anatin'ny fotoanan'ny fialantsasatra izao. Miha-maro ireo fianakaviana malagasy mitsidika ireo toeram-pizahantany mahafinaritra eto Madagasikara. Anisan'ireo toerana manintona i Sainte-Marie. Ny mikasika ny Piscine naturelle Amnodiatafana indray no resahintsika androany.

Mila mandehandeha miala ny renivohitra raha te hahita toeram-pizahantany mahaliana ao Sainte-Marie. Raha vao tonga eo amin'ny seranantsambo ao Ambodifotatra dia azo atao tsara ny miditra ao amin'ny Biraon'ny "Office du tourisme", izay ahitana torolalana maro mikasika ny fitsidihana ny Nosy Boraha.
Raha te hilomano anaty piscine naturelle sady hankafy ny hakanton'ny ranomasina, azo atao tsara ny mihazo an'Ambodiatafana. 42 kilometatra miala an'Ambodifotatra io toerana io. Fiara avo no tena mpandeha any, saingy azo atao tsara ny manofa tuk-tuk raha tsy manana fitaterana manokana. Andoavam-bola ny fidirana ao an-toerana, satria misy mpitari-dia (guide) manoro ny toerana azo tsidihina rehetra. Miisa telo ny "piscine naturelle" ao an-toerana, izay mifanakaiky avokoa, ka ilay faharoa no marivo sady tsy atahorana firy. Tena mahery ny ranomasina eo amin'ilay dobo voalohany sy fahatelo. Efa nisy mihitsy moa ireo olona lasan'ny rano. Rehefa avy nitsidika ireo dobo telo, misy toerana avo azo aleha itazanana ny ranomasina ao ambadika. Mahatalanjona ny mijery ny hadion'ny rano sy ny haavon'ny onja. Amin'ny maraina alohan'ny amin'ny 9 ora sy amin'ny hariva manomboka amin'ny 4 ora eo ho eo no tena mahery sy avo ny onjan-dranomasina.

Toeram-pizahantany misy fady

Mitazona ny fomban-taniny ireo mponina manodidina ny Piscine naturelle Ambodifotatra. Misy ny fadifady ao amin'ny faritr'io toerana io. Ireto avy no tsy azo atao : mitondra kapa mandeha amin'ny torapasika, mitondra sy mihinana sakafo misy kisoa, ary manao maloto ao anaty rano. Tsy mahazo mandro ihany koa ny vehivavy tonga fotoana. Misy toeram-pisakafoanana eny an-toerana, ka azo atao ny misotro labiera na alikaola, saingy tsy tokony araraka amin'ny tany na ao anaty ranomasina ilay zava-pisotro. Raha ny tantara mantsy, nisy mpanjakavavy nantsoina hoe Tsararandra tao Sainte-Marie. Nofitahina andian-dahalo ny mponina tao amin'ny fanjakany. Tsy nahaovoka ireo vatan-dehilahy satria nampisotroan'ny fahavalo toaka. Rehefa natao ny fanarahan-dia, hita fa nikiraro ireo fahavalo ireo. Nanomboka teo dia noraisina ho naman'ny fahavalo ireo mitondra kapa manodidina ny ranomasina sady natao fady ny toaka satria mampidi-doza.
Misy ihany koa ny vato fanasinana. Mangata-pitahiana izay manam-paniriana isankarazany, ka sady mandrotsaka vola ho fisaorana sahady. Azo atao tsara ny miverina manatitra fanatitra rehefa nivaly ilay fangatahana. Tsy maintsy misikina lambahoany moa izay olona miakatra amin'ireo vatomasina.

Lire la suite

Articles Similaires