• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Delcampe
Image
Madagasikara

Mpanjakabenitany : Hazo manankasina miaro amin'ny ratsy

19/07/2024 12:45 © Moov

Mbola marobe ny Malagasy no mitazona "fiaro", na dia efa miroborobo tanteraka aza ny fivavahana. Zava-maniry hatrany no tena ampiasaina amin'izany, ka anisan'ny tena be mpisafidy ny Mpanjakabenitany. Tehina, haingontrano ary firavaka no tena ivarotan'ireo mpanao asa tanana izany hazo masina izany.

Hazo masina

Efa taonjato maromaro no nampiasan'ny Malagasy ny Mpanjakabenitany. "Baudouinia rouxevillei" no anarana siantifikan'io hazo io. Anisan'ny zavaboahary arovana izy io, ary any amin'ny faritra atsimo andrefan'i Madagasikara (Toliara sy ny manodidina) no tena ahitana azy. Toerana fanaovana fomba na tany masina no tena aniriany. Mazava ho azy fa tsy azo tapatapahina foana ny hazo, ho fanomezan-danja ny hasiny sy fiarovana ny tontolo iainana.
Anisan'ny hazo mateza sy mora rafetina na sokirina ny Mpanjakabenitany. Efa hatry ny fahagola no nampiasaina tamina fomban-drazana maro izy. Araka ny finoana malagasy, misarika vintana tsara io hazo io. Apetraka ao an-trano izy na iravahana.

Miaro amin'ny ratsy

Heverin'ny Malagasy fa mandresy ny hery ratsy rehetra ny Mpanjakabenitany. Ireo olon-dehibe mihoatra ny 50 taona matetika no mitazona tehina vita amin'ny Mpanjakabenitany, iarovana ny aina, mba tsy ho azon'aretina sy ho ela velona. Afaka mametraka io hazo io ao an-trano ihany koa ireo manahy ho misy mamorika na mialona eo amin'ny fiaraha-monina.

Mampitombo harena

Manambin-karena ihany koa ny Mpanjakabenitany, indrindra ho an'ireo tanora vao mihary. Miaro ny fananana efa eo an-tanana ihany koa ilay hazo, mba tsy ho lanilany foana na ho lasan'ny mpangalatra.

Manasitrana

Manampy ny olona nianjadian'ny mosavy ny Mpanjakabenitany. Tafiditra ao anaty lisitr'ireo zava-maniry mahasoa ny fahasalamana ihany koa izy. Tsy vitsy ireo mpitsabo nentim-paharazana mampiasa io hazo io anaovana fanafody aretin-tratra sy taovam-pisefoana.

Fampiasana ny Mpanjakabenitany ao an-trano

Sady miaro ny aina no mitazona sy mampitombo harena ny Mpanjakabenitany. Tsy voatery miantso olona mpandala ny fomban-drazana na mpitaiza ny fampiasana azy. Misy kosa nefa ny fombafomba tsotsotra ametrahana izany hazo izany ao an-tokantrano.
Toy izao àry no atao, araka ny torohevitry ny Mpitsabo Malagasy iray : "Eo amin'ny zoro firarazana na avatra atsinana no atao ny fomba. Ajoro tsara ny Mpanjakabenitany, ka ny lohany no atao ambony. Manamboatra fangarona toaka mena sy tantely avy eo, ka araraka eo amin'ny lohan'ilay hazo. Sady mangataka amin'ny Zanahary sy ny razanao ianao mba hitsodrano sy hanamasina an'ilay Mpanjakabenitany mbo ho fiarovana ny tokantranonao. Mifindra eo amin'ny zoro Asorotany na atsimo antsinana indray, ka averina izay fomba izay. Tetezina avokoa ireo zorontrano. Rehefa vita izany dia apetraka eo amin'ny zoro firarazana ilay Mpanjakabenitany.Rehefa mividy hazo dia ezahina hitovy na mihotra ny felatanana ny halavany, fa izay no atao hoe velona ny hazo iray ary miasa tsara ao ny fanahy ao anatiny."
Eny amin'ireo mpivarotra tapa-kazo sy asa tanana malagasy no tena ahitana ny Mpanjakabenitany : Andravoahangy, Petite-Vitesse, Ambohitrimanjaka, ...

Lire la suite

Articles Similaires