• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Adn
Image
Madagasikara

Sainte-Marie : "Porte-bonheur" ny fahitana Baleines eny an-dranomasina

15/07/2024 18:50 © Moov

Tafiditra tanteraka ao anatin'ny Festival des Baleines isika izao. Manararaotra ny "Safari Baleines" ny mpitsidika maro mba hahita trozona misaotisaoty eny an-dranomasina eny.

Baleines, zanaharibe ho an'ny mponin'i Sainte-Marie

Zanaharibe no iantsoana ny trozona ao Sainte-Marie.Tamin'ny vanim-potoana nisian'ny Pirates hono mantsy, nisy tamin'ireo jiolahin-tsambo naterin'ny trozona teny amin'ny sisin-tany rehefa saika rendrika tany an-dranomasina iny. Tsy azo iadian-kevitra araka izany fa Zanahary faharoa ny Baleines, satria mamonjy olona, sady tsy mijery izay mety tsy fahatanterahan'ilay olona avotany.
Azo lazaina fa "porte-bonheur" ny fahitana Baleines, satria misy tokoa ireo olona tsy mba mahita azy ireny na dia mizaha ny fari-dranomasina filalaovany aza. Amin'ny ankapobeny nefa, saika mahita trozona avokoa ireo mpandray anjara amin'ny Safari Baleines, satria ekipa matihanina no mitari-dia. Maharitra adiny roa na telo eo ho eo ny fizahana Baleines, ary ny tolakandro no tena tsara andehanana.Tsiahivina moa fa amin'ny 21 jolay ho avy izao vao hifarana ny Festival des Baleines ao Sainte-Marie.

Sarotra dia sarotra ny maka sary ny Baleines satria tsy ampoizina velively ny ipoirany, sady segondra vitsy no ivoahan'ny vatany ambony rano. Izany indrindra no ilazana hoe "tsara vintana sady hahazo fanambinana" ireo olona mahita trozona. Biby goavana ny trozona satria mahatratra hatramin'ny 40 taonina ny lanjany ary maherin'ny 15 metatra ny halavany. Efa milanja iray taonina mahery sadu mirefy maherin'ny 3 metatra ny trozona vao teraka.


Copyright Image : © ADN Telma

Baleines, biby arovana maneran-tany

Aman'aliny maro ny Baleines no mandalo ny fari-dranomasin'i Sainte-Marie isaky ny ririnina toy izao. Mafana mantsy ny rano ka tamana izy ireo. Maro mihitsy aza ireo trozona miteraka. Ampianariny hahaleo tena tsara ihany koa ireo trozona kely izay vao entiny mifindra monina indray. Misy araka izany ny fepetra maromaro arahina rehefa hizaha azy ireo eny an-dranomasina. Tafiditra ao anatin'izany ohatra ny fanenan'ny sambo ny hafainganam-pandehany rehefa mahatazana baleines eny amin'ny 800 metatra eny ho eny. 100 metatra manodidina ny Baleines no farany akaiky azon'ny sambo anantonana. Vonoina ny moteraka miandry ny fampisehoana ataon'ilay trozona eo. Hatreto aloha, tsy azo atao ny "plongée sous-marine" na "snorkeling" ijerena akaiky ny Baleines. Tsy tokony tairina mantsy ireo biby ireo satria ny hahasalama tsara sy hahatamana tsara azy no tanjona. Tsy azo atao ihany koa ny manaparitaka sakafo eny an-dranomasina mba hisintonana ireo trozona.
Mila traikefa sy faharetana ny fizahana Baleines eny an-dranomasina. Ireo vondrona voaofana hatrany, avy amin'ny Cetamada, no mitondra ireo mpitsidika amin'ny Safari Baleines, mba hampahomby ny dia, izany hoe hahitana trozona soa aman-tsara.


Copyright Image : © ADN Telma

Lire la suite

Articles Similaires