• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Madagasikara

Sainte-Marie : Nosy fonenan'ny Pirates fahiny

13/07/2024 05:43 © Moov

Raha vao miresaka ny hoe Sainte-Marie dia tonga ao an-tsaina avy hatrany ny resaka "Pirates" na jiolahintsambo. Anisan'ny toeram-pizahantany mampiavaka io Nosikelin'i Madagasikara io tokoa ny "Cimetière des pirates" sy ny "île aux Forbans".

Tantaran'ireo Pirates na jiolahintsambo

Tamin'ny taona 1503 no nametahana ny anarana hoe "Sainte-Marie" ho an'ilay nosikely ao avaratra atsinanan'i Madagasikara. Mpiantsambo avy any Portugal no nahita ny toerana tamin'ny andron'ny fiakarana (Assomption).
Taoriana kely, nataon'ireo jiolahintsambo (Pirates na Bandits des mers) fiafenana i Sainte-Marie. Nosy mitokatokana mantsy izy io ka nety tsara tamin'izy ireo, rehefa avy nandroba sambo tamin'iny faritry ny ranomasimbe indiana iny.

I Dirk Chivers, teratany Hollandais, no anisan'ny tonga tao amin'ny Nosy. Nandroba volamena, volafotsy sy firavaka sarobidy tamina mpivavaka (pèlerins) saika hitokambavaka tany La Mecque ny tenany. Tsy izy ihany nefa no Pirates tena nalaza fa tao ihany koa i William Condon na Billy One-Hand, nandroba sambo indiana mpitondra volamena, sy i Olivier Levasseur na La Buse, nangalatra harena maro tamina sambo portugais.
Tsara ny manamarika fa efa nisy mponina tao Sainte-Marie. Nanana Mpanjaka mihitsy io Nosy io, ka namela malalaka ny hidiran'ireo jiolahintsambo noho ny harena nananan'izy ireo. Ny renin'ny Mpanjaka Ratsimilaho dia nanambady ilay Pirates antsoina hoe Thomas Tew. Ny Princesse Betty, zanak'i Ratsimilaho,no nanasonia ny taratasy fanomezana an'i Sainte-Marie ho an'ny Frantsay, ny 30 jolay 1750.Nandritra ny fotoana maharitra, tsy nila Visa akory ny fandehanana tany Lafrantsa. Niova izany fandaminana izany rehefa niverina tamin'i Madagasikara io Nosy io.


Copyright Image : © Moov

Ile aux Forbans, toerana nonenan'ireo Pirates

"Ile Sacrée" na "toerana masina" ilay nosikely eo ampovoan-drano, eo anelanelan'Ambodifotatra sy Bellevue. Tsy tokony azo nidirana izy io, saingy mafiloha ireo Pirates, amin'ny maha-jiolahintsambo azy ireo, ka niditra sy nonina tao. Toerana fiafenan'izy ireo sady fanafenany ireo harena azony tamin'ny alalan'ny famakiana sambo ny "Iles aux Forbans". Misy "Tour" avobe ao amin'io faritra io, izay nataon'izy ireo itazanana ireo sambo mety manantona. Mahaliana tokoa ny miakatra eny satria ahitana ny tananan'i Sainte-Marie iray manontolo : "vue panoramique à 360°" hoy ny teny vahiny. Mbola tavela ao ny dobo fitehirizan'ireo jiolahintsambo sakafo, nataon'izy ireo solona "refrigérateur" tamin'ny fotoan'androny.
Mila mandeha lakana raha te hitsidika ny Ile aux Forbans. Matetika moa dia avy any Bellevue ny lalana, ka mitsidika ny "Cimetière des pirates" aloha vao mankeny.


Copyright Image : © Moov

Cimetière des Pirates, toerana ilevenan'ireo Pirates

Ao amin'ny faritr'i Bellevue no ahitana ny "Cimetière des Pirates" na antsoina ihany koa hoe "Cimetière Saint Pierre". Mandalo "forêts des Mangroves" ny lalana mankany amin'io toerana io. Faritra avo no misy ny fasana. Vita tamin'ny "marbre" sy vato narafitra tamin'ny akorandriaka sy tapotsin'atody ireo vatofisaka, ka izany no mampaharitra azy. Tsy miova firy ireo vatom-pasana na dia efa tamin'ny taonjato faha-XVII sy faha-XVIII aza no nandevenana ireo Pirates ireo. Miray hina tokoa ny jiolahintsambo ka tsy manary ny fatin'ireo namany. Anisan'ireo milevina ao i Olivier Levasseur (La Buse), Thomas White, David Williams, John Avery, Thomas Tew sy ireo maro tsy voatanisa. Misy fasana iray lehibe izay nasiana ireo tsy fantatra anarana.


Copyright Image : © Moov

Lire la suite

Articles Similaires