• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Samuel
Image
Madagasikara

Taratasin'ny mpamaky : Tsy manankarena noho ny mpangataka ho'aho ialahy !

18/06/2024 09:33 © Moov

Mahantra ve matoa mangataka ? Sahirana ara-pivelomana ka mila ny fanampian'ny hafa ? Asa aloha fa raha ny hitako sy fantatro, tsy misy fahantrana mitoetra, fa asa toy ny asa rehetra ny fangatahana.

Mivelona amin'ny alahelon'ny hafa

Mora lalaovina ny fihetseham-pontsika Malagasy. Maro ireo mitsetra ka manome vola avy hatrany raha vao mahita mpangataka. Izay no ilazako hoe "mivelona amin'ny alahelon'ny hafa". "Pitié" eto no resahiko fa tsy ilay alahelo tsapa rehefa misy manendaka ohatra. Tsara tokoa ny manao soa, fa mba olombelona ihany ny tena ka lasa ny saina hoe tsy mamosavy azy ireo ary ve ? Sao mampiana-dratsy ka lasa hijanona fotsiny amin'ny fiankinan-doha amin'ny hafa izy ireo ?
Toa tsy mety tapitra mantsy ny fahantrana ka lasa asa mihitsy ny fangatahana : miditra maraina, mody hariva, mitondra vola sy sakafo. Tsy anavahana io na lahy na vavy, na tanora na olon-dehibe. Tsikaritro manokana fa tena mahazo tombony ireo mpangataka eny amin'ny faritra Ankorondrano sy Ivandry iny. Sady manome vola mantsy no mamatsy sakafo ireo teratany vahiny. Tafaresaka izahay sy ny namana ka hoy izy hoe "ialahy anie letsy tsy mihinana sakafo tsara noho ireo e! Marobe ny sakafo tsy mbola nohanin'ialahy no efa nohanin'ireo. Sakafo lafovidy avy any amin'ny supermarché anie no azon'ireo amin'ny karana e !" . Enjana tokoa izany an ! Misy fianakaviana maromaro efa miandry lera fotsiny, ka miloka amin'ny karatra izy mianakavy anelanelam-potoana. Izany ka mahantra mpanakarena ! Maro ihany koa ireo mody mitaiza zaza ka manontany lalana, ka mangataka "frais" avy eo : dia mitovy ihany ny fanao sy ny fiteny rehefa mety mihaino azy ianao eny an-dalana eny. Ianao mieritreritra iny hoe nanampy olona lavi-podiana, hay iomehezan'izy ireo fa tena "vendrana" ka tsy ampy namidiny.

Mampanofa zaza sy ankizy

Tamana loatra amin'ny fangatahana ireo mpangataka ka aleo mijanona mahantra sy malotoloto eny ihany sao tsy misy manome vola intsony. Fa angaha moa tsy fanampiana vonjimaika ihany no tokony ataon'ny mpiara-belona ? Misy tokoa ireo mba mivoatra, saingy indrisy fa 10%-n'ireo mpangataka angamba.
Efa "business avo lenta" ny tontolon'ny fangatahana eto Antananarivo. Misy ireo mampanofa zaza, ankizy, olona kilemaina. Tsy vitsy ihany koa ireo manofa beantitra. Ireo olona "marefo" mantsy no mampihetsi-po ny mpanome kokoa. Maro amin'ireo mpangataka no manenjika versement mihitsy. Eny amin'ny lalana be fitohanan'ny fifamoivozana sy fiantsonan'ny taxibe izy ireny no tena manararotra : 67ha, Anosy, Analakely, Ankorondrano. Misy ireo tezitra raha vao tsy omena ka mikiky fiara mihitsy !
Ny Fanjakana ve no tsy mandray andraikitra sa ny toetsain'ny Malagasy sasany no efa voa ? Tsy azo lavina ny fisian'ireo zaza sy ankizy marobe ampiasain'ny ray aman-dreniny hitady vola amin'ny alalan'ny fangatahana. Tsy misy hoavy mamiratra ho azy ireny satria maro ny zazavavikely no 14 na 15 taona dia miteraka ka manamaro isa hatrany ireo mponina eny amoron-dalana. Ny hanerena ireo zaza dia ny hitondra vola misimisy hatrany, ka voaompa sy voateny ratsy izy ireny rehefa tsy misy manome. Misy amin'ireo ankizy no sady mangaro-paosy, arakaraka izay anirahan'ireo olon-dehibe azy.
Raha ny vola azon'izy ireny nefa no angoniny, azo antoka tsara fa mahavita manofa trano Kely sy miakanjo madio. Saingy averiko ilay teniko etsy ambony hoe aleo malotoloto eny ihany sao tsy misy manome ! Ny asa madinika rahateo mila herimbatana sady kely karama : nefa adala daholo ve ireny mpatsaka rano, dokera, mpanasa lamba, mpamaky vato ireny miasa mafy ? Andeha atao hoe ny toe-tsaina enti-miaina no tsy mitovy.

Iza àry no tokony ampiana ?

"Tsara kokoa ny manome noho ny mandray" : mitombina io oha-pitenenana io ho an'ny rehetra. Izaho manokana, tsy manome ireo mpangataka eto Antananarivo intsony aho. Zatra tanana mitsotra loatra izy ireo ka sady manimba ny tenany no mamotika ny hoavin'ny taranany. Aleoko manampy izay tena mendrika ampiana, toy ireny olona sahirana mandray karama varimasaka nefa mandefa ny zanany mianatra. Tsy mba miankindoha amin'olona izy ireny, ary adikany ho fitahian'Andriamanitra manokana noho ny asa mafy ataony isan'andro ny fanomezana azy ireo fanampintsakafo sy fitaovan'ny mpianatra. Ireo olona mifofotra mafy hampitovy ny zanany amin'ny zana-bahoaka no mendrika tohanana, na tsy mangataka aza izy ireny. Tsy ho tsiniko anie izany !

Lire la suite

Articles Similaires