Om-Gui : Mpanoratra, mpihira, mpanabe
Raha vao maheno izany anarana hoe : Om-Gui izany dia ny tarika Ny Ainga no tonga voalohany ao an-tsaina. Talohan’ny naha-mpihira azy anefa dia mpanoratra i Om-Gui ary mpikambana tao amin’ny Faribolana Sandratra, fony fahavelony.
Rabesaiky Guillaume Marie no anarany feno. Nalaina avy amin’ny famadihana ilay fanampin’anarany « Guillaume » ilay solon’anarany ahafantaran’ny maro azy, dia ny hoe : Om-Gui. Ny 10 Janoary 1963 izy no teraka, tany Ambohimahasoa. Ny 5 Jona 2016 kosa izy no lasa tany amin’ny varo-tsy mifody, rehefa tratran'ny lozam-pifamoivoizana tao Tombotsoa Vakinankaratra, raha izy handeha hanatanteraka fampisehoana tany Antsirabe iny.
Mpanabe, mpanao pôlitika
Ankoatra ny fiofanana ho frera nataony, dia nianatra momba ny toekarena teny amin’ny oniversiten’Antananarivo ihany koa i Om-Gui. Etsy an-daniny, manana ny mari-pahaizana "doctorat" momba ny teôlôjia izy, taorian’ny fianarana nataony tany Côte d'Ivoire.
Isan’ny nandray anjara tamin’ny fiainam-pirenena ihany koa izy ary mpikambana tao anatin’ny antoko Pôlitika AVI. Efa Solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tany amin’ny distrikan’Ambohimahasoa ny tenany. Tamin’ny fotoana nahafatesany dia talen’ny kabinetran'ny ministeran'ny Fanabeazam-pirenena izy. Io asa fanabeazana ny ankizy sy ny tanora io tokoa no isan’ny nanamarika ny androm-piainany, ankoatra ny zava-kanto.
Talenta nolovaina
Nolovaina tamin’ny rainy ny talenta, ho an-dry Om-Gui mianadahy avy. Mpanao teatra, mpanoratra sady mpihira mantsy ny dadany, ka voataiza tao anatin’ny zavakanto izy 10 mianadahy. Nandrisika azy ireo hanoratra sy hihira io rainy io. Hita taratra tamin’ny lalana nodiavin’i Om-Gui sy ireo rahalahiny izany filonana tao anatin’ny kanto izany. Ny taona 1981 no nanombohany nanoratra. Tamin’ny taona 1989 i Om-Gui no niditra ho mpiray faribolana Sandratra. Nanoratra tononkira sy tononkalo izy, fa teo ihany koa ny tantara fandefa an'onjam-peo. Boky maromaro no ahitana ireo sangan’asany, toy ny « Tontolo Isainana », « Sandra-kalo », « Sandratrantsa », « Hiran'ny matoy »… Fa namoaka ny boky mirakitra ny asa-sorany manokana ihany koa izy, dia ny "Ainga sy Vohitra".
Tononkalony iray isan’ny be mpankafy ity manaraka ity, mitondra ny lohateny hoe : Hafatro aminao
Raha vao manomboka fiainam-pitiavana ianao, sombinaiko
Dia izao tadidio :
Tsy zavatra na vonin-draozy maniry
Fa dia olombelona io tiavinao io
Ka tsy lavorary na soa mankadiry
Fa manana lesoka.
Fa ny olona tia dia ny mahay miaraka
Miaraka anaty fahasamihafana
( ... )
Mahay tsy misaraka ...
Ny fo aza araiki-pitia eo no eo na dia babo aza
Na inona vaikany
Satria ny fitiavana mila mamantatra
Tsikelikely vao misy fiatraikany.
( ... )
Ny loatra tsy tsara raha fiainam-pitiavana na aiza na aiza.
"Ny tia be loatra",
"Ny sarotiny loatra"
Sy ankoatr'izay
Fa lanjalanjaina tsy atao tafahoatra ...
( ... )
Raha izy mitia, raiso, hajao
Raha izy manaja, dia mba tiavinao
Ary aza mandao
Manary olon-tiana
Ao anatin'ny mafy
Izay tadidio !
Ary farany :
Tsy taitra tsy maika rehefa mitia na inon-kandratra
( ... )
Aza dia miambina sarotim-piaro amin'olo-malala
Fa ny olo-malala io koa raha ambenana
Mainka tsy tratra.
Dia aza itarina ho tendrombohitra izao rehetra izao
Fa indraindray dia ilaina am' fiainana, lazaiko anao
Ilaina am' fiainana 'ndraindray koa
"Ny tsy mivaky loha"
Tena tsy lainga !
D’ity no tsarovy raketo ao an-doha :
Na inona mafy na ino-manjo
Aza mba resin'ny famoizam-po !
Misaotra, Rahavako ...