Dadi Love : Hamoaka hira vaovao tsy ho ela
« Tsy atakaloko », « Ataoko sonia », ireo no isan’ny hira tena nahafantarana azy tany am-piandohana. « Soranakà publeo », « Raha izy anao » kosa no isan’ny hirany be mpankafy nivoaka faramparany. Tsy iza izany fa i Dadi Love.
Hamoaka hira vaovao izy ato ho ato, fa mandra-piandry izay dia nanaiky hamaly fanontaniana vitsivitsy momba ny fiainany ao ambadiky ny lapihazo ity mpanakanto ity.
Iza moa i Dadi Love ?
Rajaosalama Stéphanoelson Hervé no tena anarany, fa i Dadi Love no anaran-tsehatra entiny. Teraka tao Antsohihy, Faritra Sofia, ny lehilahy, ary tena miraiki-po amin’ny tanindrazana niaviany. Na izany aza anefa, vitany ny nambabo ireo Faritra maro manerana an’i Madagasikara, izay efa noteteziny. Azony ihany koa ny fon’ireo mpankafy hatrany an-dafin’ny riaka.
Vao tsy ela akory izay i Dadi Love no nandrombaka ny amboara tao anatin’ny sokajy « Fiaraha-miasan’olon-droa », na « Variété Duo 2024 », tamin’ny fifidianana ireo mozika mendrika indrindra « RDJ Mozika ». Ilay fampiaraham-peony tamin’i Ceasar, tao anatin’ilay hira mitondra ny lohateny hoe : « Tokony teto anao » no nahazoany izany mari-pankasitrahana izany.
Inona no tena tianao indrindra rehefa miaka-tsehatra ?
Aman-jatony ny fampisehoana an-tsehatra ataon’ny tarika Dadi Love ao anatin’ny taona iray. Isan’ny ankafiziko ny miaka-tsehatra amin’ny toerana isan-karazany izay maro mpankafy ahy : Toamasina, Mahajanga, Fianarantsoa… Tena tiako ny mahita ny mpankafy mihorakoraka.
Ankoatra ny mozika, inona ihany koa no tena ankafizinao ?
Izaho dia tia manao « basket », tia manao « karting », ary tena tia mahandro. Ankafiziko indrindra ny manao trondro friry (trondro endasina ndlr), izay averina atao saosy avy eo.
Hamoaka hira vaovao ianao ato ho ato, inona no azo lazaina momba izay ?
Hotazomiko daholo ireo izay efa nitiavan’ny mpankafy ahy hatramin’izay. Ny ankizy no isan’ny tena mankafy ny hiran’i Dadi Love ka mitandrina be aho amin’ny tononkira. Ankoatra izay, eny an-tsehatra dia mampiavaka ny tarika Dadi Love ny fomba fandihy sy ny fampihomehezana. Mbola tsy hiova koa izany, satria nankafizan’ny mpijery ny tarika.