Ady amin’ny fampiasana ankizy : Fiaraha-mientan’ny sehatra marolafy handrafetana ny drafitra nasionaly
Fanamby goavana mbola ho diavin’i Madagasikara ny ady amin’ny fampiasana ankizy na zaza tsy ampy taona. Mbola ambony mantsy ny tahan’izy io izay mahatratra 47% n’ny ankizy eo anelanelan’ny 5 hatramin’ny 17 taona no efa am-perin’asa. Izany no antony hananganana ny drafitra nasionaly hiadiana aminy ka nitohy teto Analamanga ny atrikasa fakan-kevitra hamolavolana izany.
Fiaraha-mientana
Nahitana fiaraha-mientan’ireo mpisehatra rehetra amin’ity ady lehibe ity io fakan-kevitra io. Nihaona teny amin’ny ENAM Androhibe ireo mpiara-miombon’antoka rehetra voakasika ireo. Ao anatin’izany ny avy amin’ny Ministera isan-tsokajiny, ny avy amin’ny Vondron’ny mpampiasa ary ny sendikan’ny mpiasa. Nanampy azy ireo ihany koa ireo avy amin’ny Fiarahamonim-pirenena miantsehatra amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy eto Madagasikara. Samy naneho ny heviny mikasika ny fikarohana sy ny fitrangan’io olana io eto Analamanga izy ireo. Teo ihany koa no nandraisana ny sosokevitra sy ny laharam-pahamehana avy amin’ireo mpandray anjara hahafahana mampiditra azy ao anatin’izany drafitra Nasionaly izany.
Nisy ihany koa ny dinik’asa niarahan’ny mpandray anjara rehetra. Lohahevitra maromaro no naroso tamin’izany, toy ny mikasika ny lalàna sy ny fampiharana azy, momba ny fampananan’asa, momba ny fampianarana, momba ny andraikitry ny sehatra tsy miankina sy ny orinasa manoloana ny fampiasana ankizy. Aorian’izany dia ho fantatra mazava tsara amin’izay ny zavamisy marina amin’ny fampiasana ankizy eto Analamanga. Amin’ny alalan’izany no hahafahana mamaritra ny asa laharam-pahamehana tokony harafitra ao anatin’ilay Drafitra Nationaly.
Mbola lavitra ny lalana
Efa nahavitana ity fakan-kevitra ity ny tany Antsirabe sy Fianarantsoa. Ho entina manerana ny Nosy ity asa ity ary efa miomana amin’izany ny Minisitera amin’izao fotoana izao. Ilaina izany satria mbola goavana ny asa miandry amin’ity ady amin’ny fampiasana ankizy ity, manerana ny Nosy. Etsy ankilany dia tsy asa moramora no ahitana ireo ankizy ireo fa asa mampidi-doza sy tsy mifanaraka amin’ny taonany na ny fitomboany ara-dalàna no ahitana azy ireo. Ity drafitra nasionaly ity araka izany dia natao hiarovana ireo ankizy ireo. Isan’ny mahatonga azy ireo hiasa ny tsy fahampian’ny fidirambolan’ny Ray aman-dReny ka mbola betsaka ny asa miandry, ireo mpisehatra.
Marolafy ny departemanta izay hisehatra ao anatin’ity drafitra nasionaly ity fa ny Ministeran’ny Asa no mitarika azy.