• Cours de change
  • 5044.1 AR
  • |
  • $4464.77 AR
Copyright Image : © Mura
Image
Vaovao

Sarimihetsika Malagasy : Nodimandry i Mura Khang Chan

01/05/2025 06:46 © Moov

Nodimandry omaly 30 Aprily 2025 i Mura Khang Chan Carène Doan. Ny sarimihetsika Malagasy Lolita no tena nahafantaran’ny maro azy.

« Lolita, namako efa elabe,
Lolita, tsy tian’ny ankizy be dia be
Namako foana Loli, tiako foana Loli … »

« Film gasy Lolita »

Nanamarika ny fahazazan’ireo « Génération 90 » teto Madagasikara ny horonantsary Malagasy Lolita. Nitantara tranga mahafinaritra sady mampalahelo, mikasika mpinamana roavavy, izany sarimihetsika izany. I Lolita, ankizivavy sahirana, zanaka mpanasa lamba, dia nanam-bitana nahazo namana an’i Mura, zanaka depiote sady tena mpanakarembe. Ny fifanohanana sy fifankatiavan’izy roa vavy no tena nivohitra tao anatin’ilay horonantsary. Nisy hira nalaza nitondra ny lohateny hoe "Lolita" ihany koa nivoaka niaraka tamin’io sarimihetsika io. Sady mpilalao sarimihetsika moa i Mura no mpihira, ka mora tamin'ny ny nanatanteraka ny "Bande Originale"-n'ilay "film" nilalaovany.

Mpihira niavaka

Nankafy ny gadona rehetra izy satria efa no hirainy avokoa na hira mihetsiketsika na milamindamina na Gospel. Mpikambana tao amin’ny tarika GMMC ny tenany. Ankoatr’izay, maro ireo hira efa nataony "Cover".
Nanana ny hirany manokana ihany koa izy. Ny "Ankamantatra" ohatra dia nitovitovy gadona tamin'ny "Lolita". Anisan’ny hirany nandona ny fon’ny maro kosa ilay "Secrets from the past", nivoaka ny volana may taona 2024. Notantarainy tamin’izany ny ratram-pony lalina, noho ny nadaozan-drainy azy tamin’ny fahakeliny.

Mpanakanto feno

Nisehatra tamin’ny tontolon’ny lamaody i Mura, ka namorona fitafiana miavaka maro. Tamin’ny taona 2023 izy no namoaka ny " Collection TIA". Famoronana akanjo maivamaivana ho an’ny vehivavy sy ny ankizy no nifantohany. Nivarotra kojakojam-behivavy mahafatifaty ihany koa izy, toy ny scrunchies sy ny kitapokely. Tsy adino ny fanaovana "personnalisation" t-shirt na fanamiana. Nanokatra "boutique" mihitsy moa izy. Nisy ny marika « Ca Do », fanafohizana ny anarany Carène Doan, avokoa ireo asany.
Tafiditra tao anatin’ny fialamboly tena nakafizin’i Mura ny fijerevana trondro. Tena tiany ny karazan-trondro any an-dranomasina sy ireo akorandriaka izy.

Lire la suite

Articles Similaires