MATAC/Hanorina : Nisitraka fitaovana informatika ireo kaominina 38 manodidina an’Antananarivo
Mandeha ny fanatanterahana ny dingana faharoa amin’ny fametrahana ny rafitra MATAC/Hanorina. Fanohizana ny asa dia nisitraka fitaovana informatika sy tohana ara-teknika ireo kaominina 38 eto amin’ny manodidina an’Antananarivo. Izany hetsika izany dia tanterahin’ny Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany (MFFT) ary tohanan’ny tetikasa PRODUIR sy vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola.
Fanamorana ny fanomezana fahafahana manorina
Samy nisitraka fitaovana toy ny solosaina, milina fanontana (imprimante), « scanners » ary « box internet », sy ny maro samihafa ireo kaominina ireo. Isan’ny asa tena ho ampiasaina ireo fitaovana ireo ny fanamorana ny fangatahana fahazoan-dalana hanorina (autorisation d’urbanisme). Ireo sampan-draharahan’ny Minisitera eny ifotony no hampiasa ireo fitaovana ireo, raha ny fanazavana.
Nanamarika ny avy ao amin’ny MFFT fa tanjon’ny fampitaovana ny fampivoarana ny fampiasana ny nomerika, fanamafisana ny mangarahara ary fanamafisana ny fampiasana ny Drafitra Fanajariana an-tanàn-dehibe (PUDi) ho fitaovana fototra amin’ny fitantanana ny tany.
Fitantanana tsara ny tanan-dehibe
Tsiahivina fa natomboka ny 19 febroary teo anivon'ny MFFT ny tetikasa dingana faharoan’ny MATAC/Hanorina na MATAC 2/Hanorina. Tsara ny vokatra azo tamin’ny dingana voalohany ka izao nitarina tamin’ireo kaominina 38 ireo. Izy io dia fanolorana fitaovana ho an'ny mponina malagasy sy ho an'ny ben'ny tanàna tsirairay mba ahafahana mitantana tsara ny fanajariana ny tany. Fitaovana nomerika izy io hijerena ny fanorenana azo atao ho an’ireo tanàna.
I Madagasikara moa dia manana politika nasionaly momba ny tanan-dehibe, ka voasoratra ao fa tokony hatao manaraka ny toetrandro sy atao mangarahara ny fitantanana ny tanan-dehibe ka tokony hiroso amin’ny fikirakirana ny teknolojia izay manamora ny fikirakirana ny taratasy rehetra na ny fangatahana hanorina eny amin’ny tanàna tsirairay, hoy ny Tale Jeneralin'ny Fanajariana ny Tany. Izany indrindra no anton’ny fizarana ireo fitaovana samihafa ireo.