• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bimtt
Image
Vaovao

Fananan-tany : Vinavinaina hipetraka amin’ity 2025 ity ny sampana manokana handray ny fitarainana

14/01/2025 16:43 © Moov

Maminavina ny fanatsarana ny fitantanana, ny Sampan-draharahan’ny fananan-tany amin’ity taona 2025 ity. Tanjon’izy ireo ny fahafahana mametraka ny sampana manokana handray ny fitarainana rehetra. Isan’ny nivoitra izany nandritra ny fanaovana ny tatitry ny asa tamin’ny taona 2024; notanterin’ny Tale misahana ity sampan-draharaha ity, Vonjy Razafindratsimba, omaly.

Tsy mitsahatra ireo karazana fitarainana

Efa an-taonany maro no misy korontana sy tsy filaminana hatrany ny sehatry ny fananan-tany. Isan’ny olana be mpitaraina indrindra amin’izao fotoana izao ny fitarazoan’ny fikarakarana ny taratasin’ny tany. Eo ihany koa ny boky rovitra tsy nananana vahaolana hatramin’izao 2025 izao. Eo ihany koa ny fitarainana mikasika ny kolikoly sy ny fitakiam-bola tsy rariny, indrindra hataon’ireo mpiasa ao amin’ny sampan-draharaha. Efa nisy, raha ny fanazavana ny rafitra ho an’ny fitantanana tsara ny asa (cellule de bonne gouvernance) dia heverina hivoitra sy hiasa tanteraka amin’ity taona 2025 ity ny sampana manokana handray ny fitarainana. « Hiara-hiasa amin’ny Minisiteran’ny fitsarana izahay amin’ity indray mitoraka ity ary heverina hiditra ao anatin’ny filan-kevitry ny Minisitra amin’ity herinandro ity izany », hoy hatrany ny fanazavan’ity Tale ity.

Ampiana isa ny sampan-draharaha

Isan’ny olana sedraina amin’ity sehatry ny fananan-tany ity ihany koa ny tsy fahampian’ny sampana miandraikitra izany. Mampitombo sy manamafy ny olana hatrehan’ny mponina anefa io. Isan’ny vina amin’ity taona vaovao ity ihany koa araka izany ny hanampy isa azy. « Distrika 64 amin’ny 120 manerana an’i Madagasikara ihany no misitraka ity sampan-draharaha ity. Hametraka BSFI (Bureau de Subdivision Foncière Intermédiaire) miisa 60 ihany koa ny rafitra mba hanafainganana sy hanatsarana ny asa. Asa sahanin’izy ireo ny fanampiana ny kaominina amin’ny fametrahana biraon’ny fananan-tany (guichet foncier), sy ny hetsika karatany faobe ary ihany koa, hanampy ny fikirakirana taratasy andavan’andro », hoy hatrany ny fanazavana. Araka izany, hanampy ny sampan-draharaha efa misy izy io. Tsara ny manamarika fa efa andalam-pampidirana ny toro rehetra anaty angona antontan-kevitra ireo sampan-draharaha sasany raha efa nahavita ny azy ny hafa, toy ny ao Tsiroanomandidy, Nosy Be, ary Morondava.

Lire la suite

Articles Similaires