• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Dimby'Niaina Tsanta
Image
Vaovao

Distrikan’i Tsaratanana : Nisehoana tranga fakana ankeriny indray tao amin’ny Kaominina Brieville

13/01/2025 16:17 © Moov

Raha niato kely nandritra ny volana vitsivitsy ny tranga fakana ankeriny tao amin’ny Distrikan’i Tsaratanana dia miverina indray izy izao. Nisehoana tranga indray mantsy tao amin’ny Renivohitry ny Kaominina Brieville ny herinandro teo. Mpianatra miisa telo no nentin’izy ireo tamin’izany.

Dahalo miisa efatra

Nanao antso avo tamin’ny tompon’andraikitra mahefa rehetra amin’izany ny Solombavambahoakan’i Tsaratanana. Raha ny fanazavany ny tatitra avy amin’ireo niharan’izany fakana ankeriny izany dia dahalo miisa 4 no niditra an-tanana ka naka azy ireo. « Raha ny fanazavana avy amin’ireo niharan’ny fakana ankeriny dia miisa 4 fotsiny ihany ny dahalo naka azy ireo. Miisa 8 ireo olona nalaina raha naverina ny 5. Manoloana izany indrindra no miteraka ny ahiahy sy ny tokony fandraisana andraikitra satria sady misy tobin’ny zandary no misy miramila eo min’ny Renivohitry ny Kaominina kanefa dahalo 4 tsy voafehy », hoy hatrany ny tenany nanazava. Nanamarika ihany koa ny tenany fa mirongo basy, “kalachnikov” sy basim-borona ireo jiolahy ireo, izay manamafy hatrany ny ahiahy amin’ireo mponina sy ireo manam-pahahefana sasany ao an-toerana. Raha tsiahivina ity tranga fakana ankeriny ity dia miato fotoana ela ela dia miverina ; ary toy izany hatrany no hiainan’ireo mponina.

Misy paikady tsy mahomby

Manao antso mivantana amin'ny filohan'ny repoblika sy ny praiminisitra ihany koa ity Solombavambahoaka ity mba hijerena manokana ny toe-javatra ao Tsaratanana izay lasa manaratsy endrika ny fitondram-panjakana izay misy ankehitriny. Efa an-taonany maro no nisehoan’ity tranga ity tany an-toerana ary tsy mety fongatra hatramin’izao. « Misy paikady tsy mahomby tokony ovaina ao anatin’ity ady ity satria ny fandraisana andraikitra tena misy fa tsy tena ahitam-bahaolana », hoy hatrany ny tenany. « Adidin’ny mpitandro filaminana ny miaro ny vahoaka eo amin’ny toerana hiasany », hoy hatrany izy. Nomarihiny fa tsy ny fakana ankeriny ihany no tranga tsy fandriam-pahalemana hiainan’ny mponina any an-toerana fa eo ihany koa ny halatr’omby sy ny fandrobana fananana.

Lire la suite

Articles Similaires