Rivodoza Dikeledi : Tsy hiditra an-tanety intsony, handalo akaikin'ny faritra Atsimo Atsinanana
Hatreto aloha, tombanana fa tsy hiditra an'i Madagasikara intsony ny Rivodoza Dikeledi. Handalo any amin’ny manodidina ny 200 Km miala ny morontsiraka Atsimo-Andrefana kosa nefa izy, ny alin'ny rahampitso alarobia 14 janoary.
Mbola mihaodihaody manodidina an'i Madagasikara ny Rivodoza Dikeledi. Raha tsiahivina, ny sabotsy alina lasa teo izy no niditra tao Vohémar, ary ora vitsy monja no nijanonany tao dia nivoaka an-dranomasina. Mbola tsy lasa lavitra nefa i Dikeledi.
Fanairana ho an'ny faritra Atsimo-Andrefana
Androany 14 janoary, tamin'ny 9 ora maraina teo, tany amin’ny 680 Km Avaratra somary Avaratra Andrefan’i Morombe no nisy ny foiben’i DIKELEDI. 100 Km/ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 140 Km/ora manakaiky ny foibeny.
Raha ny tomban'ny Sampana Mpamantatra ny toetry ny andro, handalo any amin’ny manodidina ny 200 Km miala ny morontsiraka Atsimo-Andrefana rahampitso alina, amin’ny tanjaka Rivodoza mahery vaika (185 Km/ora ny rivotra hiaraka aminy). Tsy miova ny filazana loza, satria mbola mahazo fanairana (loko maitso) ireto toerana ireto : Androy, Morombe, Toliara I-II, Sakaraha, Betioky Atsimo ary Ampanihy.
Fitandremana
Hifofofo ny rivotra ato anatin'ny 2 andro ho avy. Hisy ihany koa ny orana, izay hampiakatra ny ranomasina sy ny renirano ka hanondraka ireo toerana iva. Entanina araka izany ireo monina amin'ny toerana mora tondraka mba handray fepetra.
Mila mitandrina ihany koa ireo mpiandriaka sy mpivezivezy an-dranomasina. Tsara raha hahato mihitsy aloha ny fampiasana ranomasina eo anelanelan’i Besalampy sy Taolagnaro mandra-pahalasan'ny rivodoza. Mila mitandrina ihany koa ireo mpampiasa lalam-pirenena, noho ny loza tampoka mety hitranga toy ny fahatapahan'ny hazo na fiotsahan'ny tany.