• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fahatapahan-dalana RN6 sy RNS5A : Telo andro aorian’ny fidinan’ny rano vao mety hiverina ny fifamoivoizana

14/01/2025 14:52 © Moov

Misy fahasimbana vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Dikeledi teo ny lalam-pirenena fahenina (RN6) sy lalana RNS5A. Tapaka tanteraka ny RN6 raha mandeha amin’ny ampahany kosa ny RNS5A, hoy ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny asa vaventy (MTP).

Andro maromaro vao mety hiverina ny fifamoivoizana

Tapaka tanteraka ireo lalana eo amin’ny Tetezan’ifasy sy Mahavavy izay efa novaina ho fivialan-dalana (passage à gué) satria saron’ny rano tanteraka ireo roa ireo amin’izao fotoana izao. Mety mbola misy andro maromaro vao mety hiverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana, mandra-piandry ny fidinan’ny haavon’ny rano. « Vantany vao midina ny rano, izay mbola tsy midina aloha amin’izao fotoana izao dia hirosoana avy hatrany ny fanarenana ka hiverina telo andro aorian’izay ny fifamoivoizan’ny fiara », hoy ny Tale Jeneralin’ny asa vaventy ao amin’ny MTP, Razafindrianarivo Henri Jacob. Etsy ankilany kosa dia efa amperin'asa ao Mahavavy hatramin’ny omaly maraina ny « vedette » avy amin’ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza na BNGRC. Hanamora sy hanohizana hatrany ny fitaterana ireo mpampiasa ny lalam-pirenena fahaenina (RN6). Ny Minisiteran’ny Asa Vaventy (MTP) no miantoka ny famatsiana solika hampiasaina amin'ity fitaovam-pitaterana ity ka maimaim-poana tanteraka izany.

Fiara 5 taonina ihany ny eo amin’ny tetezan’i Manambery

Ho an'ny Faritra SAVA, ao amin'ny lalam-pirenena RNS5A mampitohy an' Ambilobe# Vohemar, dia tapaka tanteraka ny fivilian-dalana na " passage à gué" eo Manambery, teboka halavirandalana PK 173+000. Nosokafana vonjimaika ho an'ny fiara latsaky ny 5 taonina ny lalana mba hitohizan'ny fifamoivoizana. Ny fiara vaventy kosa dia miandry ny fandaminan'ny tomponandraikitra. Na ho an’ity RNS5A ity na ny RN6 dia samy efa eny an-toerana avokoa ireo orinasa hanarina ireo mety fahasimbana. Miandry io fidinan'ny rano io kosa vao afaka manantanteraka izany.
Ankoatra izay dia nahitana fahasimbana ihany koa ny RNS5 mampitohy an'i Toamasina sy Fenoarivo Atsinanana. Efa any an-toerana ny orinasa Sinohydro manarina ireo simba rehetra amin'iny lalana iny. Nisy ny fiakaran'ny rano ka nahato vonjimaika koa ireo fiampitana Bac amin'ny renirano. Rehefa tony ny renirano vao miverina ny fifamoivoizana.

Lire la suite

Articles Similaires