• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pampers
Image
Reny&Zaza

Zaza vao teraka : andeha ho resahana ny mikasika ny « vernix caseosa »

06/01/2025 15:21 © Moov.Mg

Matetika ny zaza vao teraka dia rakotra zavatra malamalama toy ny dibera izay atao hoe « vernix caseosa » ny vatany. Karazana sosona iray miaro ny hoditry ny zazamenavava moa izy io. Andeha ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasika ny « vernix caseosa » sy ny asan’izany.

Inona no atao hoe « vernix caseosa » ?

Manomboka eo amin’ny faha 7 volan’ny vohoka dia manomboka misy zavatra malamalama fotsifotsy mandrakotra ny hoditry ny zaza ao am-bohoka. Iny no atao hoe « vernix caseosa ». Rehefa teraka ilay zaza dia mirakotra io « vernix caseosa » io ny hodiny. Mety ho manify na matevina ny soson’izany, miankina amin’ny nahaela ny zaza tao am-bohoka na tsia. Izany hoe raha teraka tsy tonga volana ilay zaza no tena matevina izy io. Raha teraka 37SA no mihoatra kosa dia eo amin’ireo faritra mivalombalona amin’ny vatany, toy ny tenda, kiho, fe… no tena ahitana ny « vernix caseosa ».

Inona no asan’ny « vernix caseosa » ?

Afaka ora vitsy taorian’ny nahaterahan’ny zaza dia tafiditra ao anatin’ny hodiny ny ankabeazan’ny « vernix caseosa » nandrakotra ny vatany mba hampafana azy, hampamandimandina ny hodiny tsy ho makiana sy hiarovana izany amin’ny « infections » samihafa. Izany hoe ny « vernix caseosa » no manatsara ara-boajanahary ny hoditry ny zazamenavava.
Amin’ny ankapobeny dia eo ho eo amin’ny 2 na 3 andro aorian’ny nahaterahan’ny zaza no tena tafiditra tanteraka ao amin’ny hodiny ny « vernix caseosa ». Rehefa izany dia lasa toy ny mihofakofaka hafahafa ny hoditry ny zaza. Miala ho azy eo ihany nefa izany fa tsy mila esorina na kosehina.

Oviana no tokony hampandroina ny zaza rakotra « vernix caseosa » ?

Araka ny voalaza teo ambony dia miaro sy manatsara ny hoditry ny zaza vao teraka ny « vernix caseosa ». Mila endrasana arak’izany ny fotoana hatafidirany anatin’ny hoditry ny zaza vao tsara hampandroina ity farany. Raha tena te hampandro ny zaza dia miandry 24 ora aorian’ny haterahany. Noho izany anton’izany no mahatonga ny zaza fafan’ny mpampiteraka moramora fotsiny mba hialan’ny « liquide amniotique » sy ny rà avy eo tonga dia hampiankajoana izy.
Rehefa mampandro ny zaza dia tsy tokony mampiasa savony raha tsy feno herinandro izy satria mety manimba ny kalitaon’ny « vernix caseosa » ny savony. Izany hoe rano fotsiny ihany no ampiasaina. Tsy dilirina ihany koa ny hoditry ny zaza ary fafana moramora amin’ny serveta malefaka rehefa avy mandro.

Lire la suite

Articles Similaires