• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Météo
Image
Vaovao

Rivodoza Dikeledi : Mihaodihaody any amin'ny faritra Atsimo Andrefana indray

13/01/2025 15:46 © Moov

Mahazo fampilazana loza manambana (loko maitso) ny faritra Atsimo-Andrefana. Mbola tsy nanalavitra an'i Madagasikara ny rivodoza Dikeledi ka nidina any atsimotsimo any.

Androany alatsinainy 13 janoary, tamin’ny 09 ora maraina teo, tany amin’ny 377 Km avaratra andrefan’i Besalampy indray no nisy ny foiben'ny Rivodoza Dikeledi.

Ho voakasika ny faritra Atsimo

Nitombo hery i Dikeledi ka lasa Cyclone Tropical. 120 Km/ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 170 Km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka mianatsimo andrefana izy ka nahafaka 16 Km/ora.
Hikisaka mianatsimo atsinanana izy manomboka rahampitso ka tombanana handalo any amin’ny manodidina ny 200 Km miala ny morontsiraka atsimo andrefana ny Alarobia ho avy izao, amin’ny tanjaka Rivodoza mahery vaika. Noho izany dia mety hiitatra amin’ny morontsiraka atsimo andrefana ny tafio-drivotra ho entiny.

Mahazo orana ny any atsimo

Tombanana hitondra rotsakorana betsaka ihany koa izy (mihoatra ny 80 mm/24 Ora) mandritra ny fandalovany ka mety hiteraka fiakaran’ny renirano, tondra-drano amin’ireo toerana marefo, ranotrambo ary fihotsahan’ny tany.
Mba ho fiomanana manoloana izany dia iangaviana ny mponina amin’ireto faritra sy Distrika ireto mba hampihatra ny fepetra mikasika ny fanairana miloko maintso : Androy, Morombe, Toliara I-II, Sakaraha, Betioky Atsimo ary Ampanihy.
Fitandremana ho an'ny mpampiasa ranomasina
Iangaviana ireo mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Mitsinjo sy Morombe mba tsy hiandriaka mandrapahalasan’ny loza. Toy izay ihany koa ny eo anelanelan’ny Morombe sy Taolagnaro manomboka rahampitso maraina. Entanina ny rehetra mba hanaraka mandrakariva ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony.

Lire la suite

Articles Similaires