• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unicef
Image
Vaovao

Fahadiovana rehefa tonga fotoana : Tsy ampy fitaovana hiatrehana izany ny vehivavy malagasy

13/01/2025 13:48 © Moov.Mg

Ankizivavy 1 amin’ny 10 aty Afrika no matetika manapaka fianarana isaky ny tonga fotoana. Isan’ny anton’izany ny tsy fananana fitaovana fiarovana, toy ny salaka, rehefa mandeha liompanjava. Misy mihitsy aza ireo lasa manaonao foana, noho izay tsy fahampian’ny fitaovana fiarovana izay sy ny tsy fisian’ny fotodrafitrasa fidiovana.

Manentana ny mpisehatra rehetra sy ny olona rehetra handalina misimisy kokoa momba ny fahafahan’ny vehivavy malagasy midio, ao anaty fahamendrehana, mandritra ny fahatongavan’ny fotoana, ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny Mponina (UNFPA). Fijoroana vavolombelon’ny vehivavy miisa 3 no entin’ity rantsa-mangaikan’ny Firenena Mikambana ity misintona ny eritreritra, momba ny olana atrehin’ny vehivavy, eo amin’ny fitantanana ny fahadiovana mandritra ny fahatongavan’ny fotoana.

Tapa-damba sy spaonjy

Zatovovavy 15 taona i Valinah, monina eny Antanimenabe Antananarivo. Lamba no ampiasainy isaky ny mandeha liompanjava, ka soloina izany isaky ny feno ary sasana sy ahahy. Tapa-damba ihany koa no ampiasain’i Soafia, tovovavikely 14 taona, monina any Ambovombe, ary ampiany « sachet » plastika izany mba hatevintevina kokoa. Tsy mba manana rano anasana izany anefa izy, fa amin’ny alina, dia apetraka eny ambony bozabozaka eny izany mba ho vonton’ny ranonando. Io salaka nomandoina io no ampiasainy hisasana, ary ariana avy eo, satria tsy misy ny rano anasana azy.

32 taona kosa i Chantal, monina eny Ankorondrano Antananarivo. Rehefa tsy mampiasa salaka fanary (serviette hygiénique jetable) izy, dia spaonjy no ampiasainy, atsofoka any anaty lalan-jaza ary soloina isaky ny adin’ny roa na telo, araka ny torohevitra azony. Raha ny fanazavany sy nolazaina azy, dia mitroka ny ra sy ny loto ao anaty ity fomba fampiasana spaonjy ity.

Fanabeazana sy fanentanana

Araka izany, sady efa tsy manana ny ho enti-manana amin’ny fiarovana, ny vehivavy malagasy rehefa tonga fotoana, no mbola hodidinina honohono sy finoanoam-poana ihany koa, ity vanim-potoana voajanahary miseho amin’ny vehivavy ity. Izany indrindra no mahatonga ny UNFPA hanatanteraka fanentanana mba hahafahan’ny vehivavy miatrika io vanim-potoana io ao anaty fahamendrehana. Ny UNICEF eto Madagasikara kosa dia namokatra fitaovana miisa roa ho fanabeazana sy fanentanana momba ny fitantanana ny fahadiovana mandritra ny fahatongavan’ny fotoana. KDIS Game no anaran’ny iray, izay sady kilalao no fitaovana entina manabe ireo tanora 21 no ho mihoatra, momba ireo lohahevitra mbola fady ny miresaka azy, toy ny fahasalamana ara-pananahana, ny toe-batana, ny zon’olombelona... Misy ihany koa ny kilalao entina manabe antsoina hoe : IKa’lio, izay natao ho an’ny ankizy manomboka eo amin’ny 9 taona, ho fampahafantarana ireo tokony hatao rehefa tonga fotoana.

Vehivavy sy ankizivavy miisa 1,8 miliara maneran-tany, araka ny tombana, no ao anatin’ny fetran-taonan’ny olona tonga fotoana. Ny 66%-n’ny ankizivavy aty Afrika anefa dia tsy manana fahalalana ampy momba izany, mialohan’ny fahatongavan’ny fotoanany voalohany.

Lire la suite

Articles Similaires