• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Deavita.Fr
Image
Fahalalana Ankapobeny

Ireo torohevitra manampy raha te hanangom-bola

07/01/2025 15:01 © Moov.Mg

Amin’izao fiandohan’ny taona izao dia maro amintsika no mametraka fanamby hahavita manangom-bola mandritra ny taona. Tsy mora ny manatanteraka izany, indrindra amin’izao vidim-piainana tsy mitsahatra ny miakatra izao. Ireto ary misy torohevitra vitsivitsy tsara ampiharina raha te hanangom-bola isam-bolana.

Faritana ny antony sy ny tanjona hanangonam-bola

Alohan’ny zava-drehetra dia mila faritana mazava ny antony sy ny tanjona hanangonana vola. Mety izany mba hanatanterahana tetikasa toy ny hividianana fiara na trano, handehanana miala sasatra, hividianana fanaka na fitaovana lafo vidy ao an-trano, ho vola hitsinjovana ny ho avy… Miankina amin’ny tetikasa ny faharetan’ny fotoana hanangonam-bola sy fomba hanatanterahana izany.

‍Kajiana ny fahafahana manangona

Rehefa voafaritra mazava ny antony hanangonam-bola dia mila kajiana ny vola afaka angonina isam-bolana. Mba hanatanterahana izany dia fantarina aloha ny vola miditra isam-bolana. Avy eo atao lisitra ireo fandaniana rehetra mila sahanina mandritra ny volana. Rehefa izay dia kajiana ny ambim-bola hananana rehefa hanalana ireo fandaniana ny vola miditra. Io ambim-bola io no afaka hangalana ny vola hangonina isam-bolana. Amin’ny ankapobeny dia ny 50% ny vola miditra no atokana amin’ny fandaniana tsy afaka hanesorana na « charges fixes ». Ny 30% atokana amin’ireo fandaniana afaka hanesorana ary ny 20% no hangonina.

Ahena ireo fandaniana azo hanesorana

Rehefa manana faniriana hanangom-bola dia mila ahena sy ferana ireo fandaniana azo hanesorana. Tafiditra anitin’ireo karazana fandaniana ireo azo sokajiana ho haitraitra toy ny fividianana akanjo sy kiraro, fitsangatsanganana, fandehanana trano fisakafoanana, fialam-boly andoavam-bola… Tsy voatery hoe ajanona tanteraka izy rehetra ireo fa kosa mila ferana arak’izay azo atao. Ohatra hoe ny iray na ny roa ihany no atao anatin’ny volana iray dia ovaina roa hafa indray amin’ny volana manaraka dia toy izay hatrany.

Miezaka mampitombo ny vola miditra

Fomba iray manampy betsaka amin’ny fanangonana vola hanatanterahana tetikasa ihany koa ny fiezahana mampitombo ny vola miditra. Mazava ho azy fa rehefa mitombo ny vola miditra dia mitombo arak’izay ihany koa ny vola afaka angonina. Azo atao ohatra ny mamorona vadin’asa, ny mampiasa vola hampitombo izany…

Lire la suite

Articles Similaires