• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Programmes Fida
Image
Vaovao

Fambolena : Mitohy ny asa fampiroboroboana ny famokarana masomboly vary ao Manakara

26/12/2024 09:28 © Moov

Anatin’ny dingana hanamboarana ny « station de pompage » izay hamatsy rano ny toerana famokarana masomboly vary ao Manakara ny Fandaharan’asa DEFIS amin’izao. Efa mahatratra hatramin’ny 60% ny fanamboarana ny lalana miditra amin’io fotodrafitrasa vao ho aorina io. Tanjon’izany ny hampitombo ny vokatry ny tantsaha.

Entina mampitombo ny masomboly

Eo ho eo amin’ny 30 ha eo sisa no velaran-tany tsara tondraka ka afaka mamokatra ao amin’ny lemaka Ambaniala, Manakara, noho ny fahasimban’ny "barrage de dérivation » eo amin’ny reniranon’i Manambaroha izay tototry ny fasika. Raha ny tokony ho izy anefa dia 675 ha ny tany tokony hamokatra ao. Hisy araka izany ny « station de pompage » hoamboarina. Izy ity izay fotodrafitrasa hamatsiana rano ireo tanimbary 60 ha an’ny "Centre de Multiplication de Semence" na (CMS) napetraky ny ministeran’ny Fambolena sy ny fiompiana ao amin’ny faritra, izay mamatsy masomboly voamarina ho an’ny mpamboly vary rehetra amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana. Tsara ny mampatsiahy fa tanjon’ny fitondram-panjakana ny tsy hanafatra vary intsony, izany hoe, hanana fahavitan-tena ara-bary. Efa samy hanatanterahana izany ezaka izany avokoa ny isam-paritra. Mialohan’ny hampandehanana io « station de pompage » io, anefa dia tsy maintsy hamboarina ny lalana miditra ao an-toerana, hahafahana manatratra izay tanjona izay.

Lalana 2km no amboarina

Amin’izao fotoana izao dia fanamboaran-dàlana 2km ao Ambaniala, RN12-Tamboro anatin’ny kaominina Ambila, distrika Manakara izany tanterahina izany. Fotoana kely sisa no andrasana dia afaka hiasa avy hatrany io lalana io ka hahatongavana amin’io « station » io. Entina ihany koa hanamora ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra ka ahazoan’ny tantsaha tsena izany. Ezaka tanterahina amin’ny alàlan’ny Fandaharan’asa DEFIS izany asa izany ary vatsian’ny FIDA vola. Ny fanamboarana ny fotodrafitr’asa rehetra kosa dia hiaraha-miasa amin’ny UNOPS avokoa. Nanara-maso ny firosoan’ny asa ny ekipa notarihin’ny Mpandrindra nasionalin’ny Fandaharan’asa DEFIS, Pierrot Randrianaritiana ny fiandohan’ny herinandro teo.

Lire la suite

Articles Similaires