• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Meah
Image
Vaovao

Famatsiana rano : Mponina 1 450 hisitraka tombony avy amin’ny fotodrafitrasan’ny rano ao amin’ny Distrikan’ny Moramanga

26/12/2024 14:26 © Moov

Misitraka fotodrafitrasa afaka mamatsy rano ihany koa ny mponina ao amin’ny Distrikan’ny Moramanga, faritra Alaotra Mangoro. Noraisina tamin’ity herinandro ity ireo famatsiana rano amin’ny alalan’ny FPMH (forage avec pompe à motricité humaine) ireo fotodrafittrasa miisa 10.

Kaominina miisa telo

Tanjon’ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao ny hamatsy rano madio sy mahasalama ny Malagasy rehetra ; indrindra any amin’ireo faritra izay tena mbola tsy ahitana fotodrafitrasa mpamatsy rano. Toy izany ireto ao amin’ny Distrikan’ny Moramanga ireto. Kaominina miisa telo no nisitraka izany farany teo, izay mizara amin’ny fokontany miisa 10. Isan4izany ny fotodrafitrasa 5 izay noraisina tao amin’ny Kaominina Andasibe, Fokontany Mangarivotra Atsimo sy Avaratra ary Sahavarina. Manampy izany ny ao amin’ny Kaominina Morarano Gare izay hita ao amin’ny Fokontany Sakalava I sy II ary ny Fokontany Mahavoky Mahatakatra. Fotodrafitrasa iray kosa ny tao amin'ny kaominina Ambohibary tao Antaralava. Olona miisa 1 450 no hisitraka izany. Lavadrano, sintomina amin’ny alalan’ny paompy mandeha amin’ny herin’olombelona ireto fotodrafitrasa ireto.

Ampiasaina amin’ny fiainana andavan’andro

Raha tsy misy ny rano dia sarotra ny miaina ; na ny olombelona izany, ny biby fiompy? hatramin’ny fambolena. Araka izany, hitondra tombony betsaka kokoa hoan’ny fiainana andavan’andron’ireo mponina ny fisitrahana itony fotodrafitrasa itony. Ao anatin’izany ny fisakafoanana, ny fidiovana ary ny fanadiovana, ny fanondrahana voly ary ny sakafo ho an’ny biby fiompy. Ireto fotodrafitrasa ireto araka izany dia heverina hamatsy rano ho an’ny mponina amin’izao fotoana izao sy ireo ho avy. Izany hoe, heverina ny haharetan’ireo fotodrafitrasa ho an’ny taranaka mifandimby. Tsara ihany koa ny manamarika fa tanjon’ny Fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao ny hampisitraka rano madio olona maherin’ny 2 tapitrisa isan-taona.

Lire la suite

Articles Similaires