• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Île-Rouge
Image
Vaovao

Horonantsary : Haverin’ny CSP Films Madagasikara indray ny tantaran’i Rabeniomby sy Ravolahanta

26/12/2024 15:54 © Moov

« Rabeniomby sy Ravolahanta », mpifankatia isan’ny nanamarika ny Farihin’i Tritriva ary mijanona ho misitery hatrany hatramin’izao fotoana izao. Ho averin’ny trano mpamokatra CSP Films Madagasikara, amin’ny alalan’ny horonantsary lava indray, araka izany ny momba io misitery io. Horonantsary nampitondrain’izy ireo ny lohateny hoe « Misiterin’ny Farihin’i Tritriva » izany hovokarina izany.

Horonantsary maharitra ora roa

Raha ny fanazavana, nandritra ny fampahafantarana ny hisian’izany tetikasa izany, haharitra ora roa be izao ity horonantsary vaovao ity. Ho hita ao anatin’izany ny tantaram# pitiavana tena mamy niainan’ireo mpifankatia ireo. Ho votoatiny kosa ireo sedra nolalovan' izy roa. « Ankoatra ity tantaram-pitiavana izay mety efa be mpahafantara ity dia handravaka izany, ary hampiavaka azy ihany koa ny « actions » vitsivitsy », hoy ny tale ny trano mpamokatra Danielà Rakotoarison. Nataon’izy ireo indrindra indrindra hahalalana bebe kokoa ny mety ho kolon-tsaina nandritra ny faham# panjaka ity horonan-tsary ity. Tsara ny manamarika fa vanim-potoana faha-mpanjaka no heverina nisehoan’ity tantara ity tany aloha tany. Raha tsiahivina dia mpifankatia voarara izy ireo no niaraka namono tena tao amin’ity farihin’i Tritriva ity mba hanehoan’izy ireo fa nifankatia ho mandrakizay izy ireo na dia nisedra olana aza.

Kolontsain’ny faritra Vakinankaratra

Ao amin’ny faritra Vakinankaratra no misy io farihy io, raha tsiahivina. Araka izany, ny kolontsain’io faritra io no tena ho avoitra ao anatin’ity horonantsary ity. « Isan’ny hahafahana mitrandraka kolontsaina vaovao ao Vakinankaratra ity tetikasa ity. Isan’ny hatao hampiroboroboana azy ihany koa anefa. Izany indrindra no hiantsoanay izay rehetra vonona hanohana ; indrindra ireo mpandraharaha », hoy i Jason Glenn Andriamahefa, izay mpanatontosa ny horonantsary. Afaka hiarahana miasa avokoa, hoy hatrany ireto mpikarakara ireto ny kolontsaina ara-tantara, ara-tsaina, ny lafiny asa tanana sy ireo maro hafa. Mbola hisy ihany koa ny « casting » lehibe izay ho tanterahina, hifantenana ireo mpilalao hampiaina ity horonan# tsary ity. Manomboka ny volana janoary 2025 kosa ny fanodinana azy, ary vinavinaina haharitra mandritra ny taona iray mihitsy ny fanatontosana izany.

Lire la suite

Articles Similaires