CHRR Monja Jaona : Mamonjy vehivavy sy ankizy marobe any Ambovombe Androy
Hôpitaly azo lazaina ho filamatra amin’ny fandraisana an-tanana ireo vehivavy hiteraka ny Centre Hospitalier de Référence Monja Jaona ao Ambovombe, Faritra Androy. Afaka mahazo toky ny vehivavy manatona ao fa ho voaara-maso ara-pahasalamana.
Misoroka ny fahafatesana eo am-piterahana
Vehivavy 40 isam-bolana, amin’ny ankapobeny, no tonga miteraka ao amin’ny CHRR Monja Jaona. Ao anaty tontolo azo antoka tanteraka no anatanterahan’ireo mpiasan’ny fahasalamana voaofana izany fampiterahana izany, mba hisorohana araka izay azo atao, ny mety ho olana mitranga. Voaara-maso ara-pahasalamana ihany koa ireo vehivavy aorian’ny fiterahana. Rtoa Lakoasy izao dia tratran’ny aretina mamany lava, saingy rehefa nandalo fandidiana tao amin’ity hôpitaly ity izy, tamin’ny taona 2021, dia sitrana tanteraka. Tamin’ity volana desambra 2024 ity aza izy dia tera-dahy soa aman-tsara, tao amin’ny CHRR Monja Jaona hatrany.
Araka ny antontan’isa, amin’ny ankapobeny dia ny 40%-n’ny vehivavy malagasy ihany no miteraka eny anivon’ny tobim-pahasalamana, fa betsaka ireo no miteraka an-trano sy amin’ny renin-jaza. Mampihena ny taham-pahafatesan’ny reny, vokatry ny fiterahana, ny fanatonana hôpitaly na tobim-pitsaboana ahitana mpiasan’ny fahasalamana izay voaofana hanampy ny reny amin’izany fiterahana izany.
Tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao
Ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny Mponina (UNFPA), no isan’ny mpanohana ny CHRR Monja Jaona. Mpiara-miombon’antoka, nifanolo-tanana tamin’ity rantsa-mangaikan’ny Firenena Mikambana eto Madagasikara ity, ny governemanta Japoney, indrindra teo amin’ny tohana ara-bola, nanomboka ny taona 2018. « Nahafahana namonjy ny ain’ny vehivavy sy ankizy marobe tany amin’ity Faritra lavitra any Atsimon’ny Nosy ity » izany tohana izany, hoy ny nambaran’ny avy eo anivon’ny UNFPA. Noho izany fanohanana avy amin’ny governemanta japoney izany no isan’ny mahatonga ny hôpitalin’Ambovombe ho isan’ny tobim-pahasalamana afaka manome tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao.