• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Anr
Image
Vaovao

25 desambra 2024 : Filaharana lavareny ny fijerena jiro teny Ambohijatovo

26/12/2024 07:37 © Moov

Omaly 25 desambra, tamin'ny 6 ora sy sasany hariva teo ho eo, tonga hatreny amin'ny Score Antsakaviro ny filaharana nidirana tao amin'ny zaridainan'Ambohijatovo.

Isaky ny hariva amin'ny 7 ora no misokatra ny zaridainan'Ambohijatovo, ho fanamarihana ny fetin'ny krismasy iraisan'ny daholobe.

Zava-baovao

Efa mahazatra ny maro eto Antananarivo ny fijerena jiro eny Antaninarenina isan-taona. Tamin'ny taona lasa, nosokafana ny Lapam-panjakana Ambohitsirohitra hanomezana fahafahampo kokoa ny rehetra.
Tamin'ity taona 2024 ity, toerana malalaka kokoa no nosafidiana hametrahana ireo haingo mirehitra isan-karazany. Maro dia maro ireo haingo napatraka, izay tsy toy ny mahazatra mihitsy. Samy mahazo ny anjarany avokoa na ny olondehibe, na ny tanora na ny ankizy. Omaly hariva, lavabe ny filaharana. Rakotra olona ny manodidina ny tamboho, ny fiantsonan'ny taxibe Alasora, ny tonelina, hatreny Antsakaviro ambony. Misy ireo avy namonjy Krismasin'ny ankizy tany am-piangonana vao nilahatra. Takatry ny fahefa-mividy rehetra ny vidim-pidirana, izay 500 ariary isan'olona. Anisan'ny mampazoto ireo mpijery jiro ihany koa ny fisian'ny fiara fitateram-bahoaka hatramin'ny misasak'alina.
Nanararaotra ny fahamaroan'ny olona teny ivelany ireo mpivaro-mandeha. Nahaliana ny mpijery jiro ny kilalaon-jaza isan-karazany, ny satroka sy ny tsakitsaky. Nisy aza moa ireo namelatra latabatra mihitsy, nivarotana hani-masaka.

Fialamboly

Saika fianakaviana avokoa no miditra ao amin'ny zaridainan'Ambohijatovo. Mampifaly ireo ankizy ireo ray aman-dreny, sady manararaotra maka sary fahatsiarovana. Misy ihany koa nefa ireo tanora mpifankatia mankafy ny toerana. Fotoana sarobidy ifampizarana fitiavana sy fifaliana ny ao Ambohijatovo.
Raha ny tsikaritra, nanomboka tamin'ny nanokafana ny fijerevana jiro, filaharambe hatrany no hita isan-kariva. Manomboka ny atoandro ny olona dia efa manomboka milahatra. Amin'ny alahady 5 janoary moa no andro farany hahafahana mijery izany jiro ao Ambohijatovo izany.

Lire la suite

Articles Similaires