Akany Fialofana Isotry : Fianakaviana sahirana aman-jatony no mila tohana
Fianakaviana marefo avy amina tokantrano 156 isa no miantrano ao amin’ny Akany Fialofana ao Ambalavao Isotry, amin’izao fotoana izao, mba tsy hatoriana eny an-dalambe. Marefo izy ireo, tsy manana asa sahaza… ka manan-danja be ny tohana avy amin’ireo malala-tanana, indrindra amin’izao ankatoky ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona izao.
Tsy manan-kialofana
MADCAP no nahafantarana azy teo aloha, fa Akany Fialofana no fiantsoana azy ankehitriny, izay eo ambany fiahian’ny ministeran’ny Mponina sy ny Firaisankina. Ireo tsy manan-kialofana eny anivon’ny fiarahamonina eto Antananarivo Renivohitra no raisin’ity ivon-toerana ity. Maro amin’izy ireo no mpiavy, avy any Ambositra, Antsirabe, sy ireo toerana hafa manodidina an’Analamanga, saingy nikasa ny hitady izay mahasoa teto an-drenivohitra, saingy nanjary mpatory an-dalana. Miasa an-tselika, toy ny mantsaka rano na manasa lamban’olona, na ihany koa mangataka, no antom-piveloman’ny ankamaroany.
Raha ny tokony ho izy dia telo hatramin’ny 6 volana ny olona tonga mitady fialofana, no tazonin’ny akany, saingy maàna no tsy ahavitan’izy ireo miarina eo amin’ny fiainana izay fe-potoana izay. Rasoarivelo Voahirana izao dia efa 7 taona nonenana tao amin’ny Akany Fialofana. Mpanasa lamba no asany, ary dôkera ny vadiny. Manan-janaka 7 mianadahy izy ireo, ka 19 taona ny zokiny indrindra ary 2 taona sy tapany ny zandriny indrindra. Hatreto dia ity ivon-toerana ity aloha no manavotra azy ireo, fa tsy mbola manana fahefa-mividy ho entina manofa trano izy mianakavy kely. Amin’ny ankapobeny moa dia ahitana olona roa na telo, ao anatin’ny fianakaviana iray, izay ampiantranoin’ny akany. Maro ireo vehivavy mananon-tena no mialoka ao, miaraka amin’ireo zanany.
Tohana avy amin’ny malala-tanana
Hatreto, dia ny trano ihany no hany azon’ny Akany Fialofana atolotra ho an’ireo olona marefo. Ireo malala-tanana tonga mamangy no manome sakafo indraindray. Na ny rano aza dia olana ho an’ny akany, satria efa simba ny fotodrafitrasa, ka any ivelany ireo mponina ao no mantsaka ny rano ampiasainy, izay andoavam-bola. Tsy ny rehetra no manana fahefana ho amin’izany, hany ka maro no tsy afaka midio. Vokatr’izay dia anjakan’ny loto sy ny bibikely, toy ny parasy sy ny kongona, ao an-toerana. Tsy ahitana fandriana rahateo ao amin’ny akany, fa samy miantoka izay fitaovana hahafahany mitsotra ireo olona raisin’ny akany. Misy ireo izay mampiasa baoritra notsimponina teny rehetra teny, hanaovana ladina an-tany. Mitahiry bibikely anefa ireny ary lasa mitarika aretin-koditra ho azy ireo izany, hoy i Ihaga Mahery, mpitantana ny Akany Fialofana.
Mba hanamaivanana izany olana izany, dia tonga nanolotra fitaovam-pidiovana ho an’ity ivon-toerana ity ny Fondation Axian, androany 5 desambra 2024. Koveta, siao, sy savony ary fitaovana isan-karazany, izay hahafahan’ireo tokantrano midio sy manadio, no natolotra tamin’izany. Mbola hitohy ny fanomezana tohana tahaka izao, hoy Razakamanantsoa Jessica, tomponandraikitry ny fifandraisana amin'ny fiarahamonina (community relation manager) eo anivon’ny vondron’orinasa Axian. Maro mantsy ny filàn’ny Akany Fialofana, eo ihany koa ny Akany Fianakaviana Miarina, izay hisitraka ny fanomezana natolotra androany.
Tafiditra ao anatin’ny hetsika fanampiana ireo olona marefo, hiatrehana ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona, izao fanomezana fanampiana notanterahin’ny Axian izao. Mbola hisitraka tohana avy amin’ny orinasa ihany koa ny Akany Manjarisoa 67 Ha sy ny Akany Mamitiana, mitaiza zaza kamboty, eny Ambohimangakely. Etsy an-daniny, manao antso avo amin’ireo izay malala-tanana ny talen’ny Akany Fialofana, mba hahafahana mandray any-tanana amin’ny fomba feno kokoa ireo mponina izay miandrandra tohana ao amin’ity ivon-toerana ity.