Fampodiana ireo biby tratra tany Thaïlande : Varika 31 isa sy sokatra 155 no tafaverina omaly
Omaly 4 desambra 2024, tamin'ny 2 ora latsaka 10mn antoandro, no nigadona teny amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato Antananarivo, ny fiaramanidina nitatitra ny andiany faharoa amin'ireo biby naondrana an-tsokosoko, izay tratra tany Thaïlande, tamin'ny voalohan'ny volana mey 2024.
Araha-maso ara-pahasalamana
Tafaverina tamin'ity andiany faharoa ity avokoa ireo ambina varika rehetra mbola tavela tany Thaïlande. Miisa 31 izy ireo no nampodiana teto Madagasikara tamin'ity sidina faharoa ity, izay varika amin'ilay karazany "brown lemurs" avokoa. Ny sokatra kosa dia niisa 155 no tafaverina omaly, izay amin'ilay karazany antsoina hoe : "astrochelys radiata", na sokake, avokoa.
Tahaka ireo varika efa tafaverina ny alahady 1 desambra lasa teo, dia hihazo avy hatrany ny faritra Atsimon’ny Nosy ireto varika ireto. Hatoka-monina amin’ny mandritra ny enim-bolana eo ho eo aloha, mialohan'ny hamerenana azy ireo any anaty toeram-ponenany voajanahary. Ireo varika 16 tafaverina voalohany teto Madagasikara moa dia efa tafapetraka soa aman-tsara ao amin'ny Centre Reniala ao Toliara. Mandray an-tanana ny fikarakarana sy ny fanaraha-maso ny fahasalaman'izy ireo, ireo teknisianina ao an-toerana. Ireo sokatra kosa dia mbola raisina an-tanana manokana eto Antananarivo aloha, hisorohana ny mety ho fiantraikan'ny dia lavitra efa nataon'izy ireo, teny ambony fiaramanidina, araka ny fanazavana.
Tambajotra iraisam-pirenena
Nambaran’ny eo anivon’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, izay nandray ny fahatongavan’ireto biby andiany faharoa ireto teny Ivato, fa mitohy hatrany ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity. Tanjona ny handravana tanteraka ny tambajotran'ny ratsy iraisam-pirenena. Raha tsiahivina dia efa nisy ny « task force international » natsangana, ivondronan’ireo fikambanana iraisam-pirenena miady amin’ny fitrandrahana an-tsokosoko sy ny ady heloka bevava toa ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana miady amin’ny zava-mahadomelina sy ny heloka bevava (ONUDC), ny Foibem-pikarohana sy fiarovana ny zavaboary sy ny biby anaty rano ao Etazonia (USFWS), ary ahitana firenena hafa toa an’i Thaïlande, Taïwan, Indonésie sy Malaisie, izay mifanome tanana amin’i Madagasikara amin’ny famongorana izany tambajotra izany.