• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fotodrafitrasa : Manomboka ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena fahafito (RN7)

28/10/2024 11:35 © Moov

Hiverina toy ny taloha afaka fotoana vitsy ny fe-potoana hamitana ny lalana mampitohy an’Antananarivo mankany Antsirabe. Efa manomboka mantsy amin’izao fotoana izao ny fanamboarana ny tapany voalohany amin’ny lalam-pirenena fahafito (RN7). Nidina ifotony nijery ny asa fikojakojana ny lalam-pirenena fahafito (RN7) ny Minisitry ny Asa Vaventy, Rafidison Richard Théodore, notronin'ny Governoran'ny Faritra Vakinankaratra, Vy Vato Rakotovao, izay niatomboka teo Iavoloha ka hatrany Antsirabe.

Vitaina alohan’ny fotoan’ny orana

Nojerena tamin’ny antsipirihany avokoa iny lalana rehetra teo ho eo amin’ny 160km iny, izay nanomboka teo Iavoloha. Nanome baiko ireo orinasa mpanatanteraka ny asa araka izany ny Ministra ny hanafainganana ireo asa rehetra. « Mila hatsaraina ny fifamoivoizana mandritra ny fanamboarana ny lalana rehetra ary hatomboka amin’ireo teboka tena mampijaly ny fiara ny asa fanamboarana », hoy hatrany ny Minisitra nanazava. Marihina moa fa mbola ny tapany voalohany amin’io RN7 io natomboka io ny fanamboarana azy. Araka izany, ho raisina ho laharam-pahamehana avokoa ny asa rehetra manerana iny lalana iny. Anisan’ny hasiam-panamboarana ohatra ny lalana eo Behenjy sy ny eo Ambatolampy.

Famatsiam-bolan’ny banky iraisampirenena

Raha ny nomarihin’ny Minisitra hatrany dia famatsiam-bola avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena no hanatanterahana ity asa ity. Herintaona ny faharetan'ny tetikasa, saingy nanome toky ny Minisitra fa alohan'ny faran'ity taona ity dia efa hahitam-bokatra ny asa. Dingana voalohany ihany izao atao amin'ny lalam-pirenena faha-7 izao, ary ahitana sahady ny maha zava-dehibe ny fanatsarana ny fotodrafitrasa mahakasika ny lalana izay atao eto Madagasikara. Niara-dalana tamin’ny Minisitra moa ny Governoran’ny faritra Vakinankaratra izay anisan’ny mpahazo tombontsoa amin’ny asa. Nandritra izany no nijerena ihany koa ny fanarenana ireo lalana simba ao antampon-tanànan’Antsirabe. Tafiditra ao anatin’ny Tetikasa Projet de Développement Durable du Secteur Routier (PDDR) izany. Hatomboka amin’ny volana novambra io araka izany ny lalana eny Ambohimena, Ambavahadimangatsika, Zaodahy ary Atsinanantsena. Ny « fond routier » no hanatanterahana ireo ampahan’asa ireo.

Lire la suite

Articles Similaires