• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ministeran'Ny Fanabeazampirenena
Image
Vaovao

Fampianarana : 790 lavitrisa ariary atokana ho an'ny zazavavy

26/10/2024 06:12 © Moov

Mbola maro ireo zazavavy tsy mahavita ny fianarany hatramin'ny farany noho ny fahasahiranana, ny kolontsaina, sy ny antony maro samihafa. Izany indrindra no nitadiavana famatsiambola manokana.

Lany teny anivon’ny Antenimieram-pirenena nandritra ny fivoriana ara-potoana faharoa, natao ny alakamisy 24 oktobra 2024, ny volavolan-dalàna laharana faha-006/2024 « Autorisant la ratification de l’accord de prêt relatif au financement des filles en Afrique de l’Est # East Africa Girls’empowerment and Resilence Program (EAGER)-, conclu le 13 octobre 2023 entre la République de Madagascar et l’Association Internationale de Développement (IDA) ».

Tetibola manokana

Noho izany indrindra, tetibola mitentina 790 lavitrisa Ariary, entina hitazonana ireo zazavavy an-tsekoly sy hamerenana ireo efa niala an-daharana ary fampiakarana ny fari-pahalalan’ireo vehivavy entiny miatrika ny hoavy amin’ny alalan’ny fanofanana arak’asa. Voakasik’izany avokoa ireo zazavavy 10 ka hatramin’ny 17 taona, sy ireo vehivavy 18 ka hatramin’ny 35 taona.

Drafitra maty paika

Entina hanatanterahana izany dia hisy ny fampiroboroboana ny maha olona eo amin’ny lafiny fitazonana ny zazavavy any an-tsekoly sy fametrahana amin’ny toerana azo antoka ireo vehivavy tsy mianatra; fanamorana fahazoana asa ho an’ny vehivavy ; fananganana fiaraha-monina mahasoa ho an’ny fahaleovantenan’ny vehivavy; ary ny fitantanana ny tetikasa. Etsy ankilany, mbola fanamby lehibe ihany koa ny fandresen-dahatra ny tsirairay, amin'ny fiheverana fa "natao hikarakara tokantrano ny vehivavy" ka tsy ilaina ny hahatafitany lavitra amin'ny fianarana.
Efa nanomboka ary hanohy hatrany ny ezaka rehetra ny Minisitera mba hisitrahan’ireo vehivavy Malagasy voakasik’izany ity tetikasa ity, araka ny fanazavana nentin-dramatoa Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Dr Sahondrarimalala Marie Michelle, izay nandray anjara feno tao anatin’izany fivoriana ara-potoana faharoa izany.

Lire la suite

Articles Similaires