• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Primature
Image
Vaovao

Fiatrehana fotoam-pahavaratra : Hafainganina ny fanarenana ny fotodrafitrasa simban’ny rivodoza ao Ambilobe

28/10/2024 13:51 © Moov

Nidina nijery ny digin’i Mantalia nandritra ny fandalovany tany amin’ny Faritra avaratr’i Madagasikara ny Praiminisitra Ntsay Christian. Nandritra izany no nanamarihany fa mila atao haingana ny fanarenana ireo fotodrafitrasa simba vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gamane. Raha tsiahivina mantsy dia maro ireo fotodrafitrasam-pambolena simba vokatry ny fandalovan’izay rivodoza izay tamin’ny fiandohan’ity taona 2024 ity.

Hiomanana amin’ny fahavaratra

Nojerana manokana ny fanarenana haingana ity digin’ny Mantalia ity. Potika vokatry ny fiakaran’ny reniranon’i Mahavavy mantsy ity digy mirefy 150 metatra ity, ary mila fanarenana maika. Ilaina izany mba hanampy ireo mponina amin’ny fivezivezena, sy hisorohana ny loza sy ny tandindondoza manambana isaky ny fandalovan’ireo rivodoza samihafa, ateraky ny fiovaovan’ny toetrandro. Isaky ny fotoam-pahavaratra tato ho ato izay dia mitondra takaitra hatrany io faritra io amin’ireny olan’ny fiovaovan’ny toetr’andro ireny. Izany indrindra no nandraisana fanapahan-kevitra ny hanafainganana ity asa ity. Efa hiditra amin’ny fotoam-pahavaratra indray mantsy izao ny eto Madagasikara. Hanalefahana na hampihenana izany mety fiantraikany izany no anton’izao asa izao.

Hanavotana ny voly vary sy fary

Ambilobe hatramin’izay ka hatramin’izao dia mbola anisan’ny sompitry Madagasikara amin’ny vokatra vary sy fary. Ho fanavotana io fihariana io ary hampitombo ny toekaren’ny mponina any an-toerana dia laharam-pahamehana io fanamboarana fotodrafitrasa io. Io fidinana nataon’ny Praiminisitra niaraka tamin’ireo solontenan’ny tompon’andraikitra tany an-toerana io, dia mamaritra ny tena asa hamerenana amin’ny laoniny ny toha-drano. Tanjona ny mba hitsinjovana ny fiainan’ny mponina amin’ny alalan’ny fambolena vary sy fary any anatin’ny lemak’i Mahavavy. Marihina fa hiankinan’ny toekarena any amin’ny Distrikan'Ambilobe manontolo izany asa izany.

Lire la suite

Articles Similaires