• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 21 hatramin'ny 27 oktobra 2024

28/10/2024 00:02 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 21 hatramin'ny alahady 27 oktobra lasa teo.

Letchi # Efa hisokatra ny taom-piotazana 2024

Amin’ny tapaky ny Novambra dia ho hita eny an-tsena manerana ny Nosy ny Letchi. Hisokatra eo anelanelan'ny 11 sy 14 novambra ny taom-piotazana 2024 ao Analanjirofo sy Atsinanana, raha ny 21 novambra izany tamin'ny taona 2023. Hihena ny vokatra noho ny fiovaovan'ny toetry ny andro, ka 4 na 5 garaba fotsiny ny azo amin'ny fototra iray, raha hatramin'ny 20 garaba teo aloha. Hihatsara nefa ny vokatra, satria tokony ho vaventy be sady mamy ny Letchi amin'ity taona ity. Mety hiakatra ny vidim-bokatra hatrany am-potony, satria tsy haharaka ny tinady ny tolotra. Tsiahivina fa firenena faha-3 mpanondrana letchi i Madagasikara.

CCI Ivato # Fihaonambe momba ny VIH SIDA

Tontosa ny 22 hatramin'ny 24 oktobra lasa teo, teny amin'ny CCI Ivato, ny andiany faha 20 ny fihaonambe momba ny VIH SIDA eto amin'ny ranomasimbe indiana. Nisy ny fifampizaran'ireo mpiantsehatra rehetra mikasika ny traikefa, ny voka-pikarohana, ny zava-baovao entina hiadiana amin'ity areti-mandoza ity. Raha eto Madagasikara manokana dia tombanana manodidina ny 74000 ny olona miaina miaraka amin'ny tsimokaretina VIH raha toa ka miisa eo amin’ny 20.000 ihany nefa ireo nandalo fitiliana.
Nandritra ny lahateny izay nataony dia nanterin-dRamatoa Mialy Rajoelina ny hanamafisana ireo ezaka momba ny fanentanana amin'ny fanaovana fitiliana sy ny fanabeazana amin'ny fahasalamana ara-pananahana indrindra. Nisy ihany koa ny fitiliana maimaimpoana ho an'ny daholobe nitiliana ny VIH-SIDA, ny homamiadan'ny nono sy ny vozon'ny tranon-jaza

Bangkok # Fivoriana mikasika ny jono

Notanterahana tao Bangkok, Thaïlande, ny 21 hatramin’ny 24 Oktobra, ny fivoriana faha-13 n’ny Komity Teknika mahakasika ny anjara na “quota” (CTCA) anatin’ny Kaomisiona mikasika ny lamatra (thon) aty amin’ny Ranomasimbe Indiana (CTOI). Nodinihana mandritra izany ireo singa rehetra enti-mandrafitra ny fizarana ny anjara lamatra na “quota” mety ho azon’ny firenena izay mpikambana ao anatin’ny CTOI jonoina isan-taona.
Tombanana ho 52 000 taonina isan-taona ny lamatra (thon) mandalo ny fari-dranomasin’i Madagasikara isan-taona. Manodidina ny volana Febroary hatramin’ny Jona ary ny Oktobra hatramin’ny Janoary ny fotoana fandalovany.

Washington # Annual Meetings 2024

Nanatrika ny Annual Meetings 2024 tao Washington i Madagasikara. Niarahana tamin'ny Banky Iraisam-pirenena ho an'ny Faritra Atsinanana sy Atsimo izany. Teboka maro araka izany no novelabelarina sy nifampiresahana ka anisan'izany ny famokarana angovo, ny fanabeazana sy ny fiofanana, ny vehivavy sy ny tanora, ny fiantraikan'ny loza voajanahary ary ny fanondranana vokatra avy eto an-toerana.
Nivoitra àry ny ezaka fanarenana haingana sy ny firosoana makany amin'ny famokarana angovo azo avaozina izay himasoan'ny fitondram-panjakana miaraka amin'ireo mpiara-miombon'antoka; ny ezaka efa natao amin'ny fampidirana an-tsekoly ny zaza sy ny tanora, indrindra ireo ankizy vavy; ary ny fanolorana fiofanana ho an'ireo vehivavy marefo ara-pivelomana.

Chine # Mihamafy ny fiaraha-miasa amin'i Madagasikara

Nisy fivoriam-be notarihin'Andriamatoa MU Hong, filoha lefitry ny « Conférence consultative politique du peuple chinois » (CPPCC) ary ny filohan'ny « groupe d'amitié Chine-Afrique » ny 21 Oktobra lasa teo, tao amin’ny Masoivohon’i Chine, Nanisana.Nandritra ny fihaonana dia nohamafisana ny fiaraha-miasa Sino-Malagasy sy Sino-Afrika fa indrindra ny hampiroboroboana sy ny hanapariahana ny fampiasana ny vary safiotra na « riz hybride » eto Madagasikara.
Marihana fa ity fihaonana ity dia tohin’ny fihaonana teo amin’Andriamatoa filoham-pirenena, Malagasy, Andry Rajoelina sy Andriamatoa filoham-pirenena Sinoa, Xi Jinping nandritra ny Foiben’ny Fiaraha-miasa Shina-Afrika na « coopération Chine-Afrique » FOCAC ny volana septambra lasa teo tany Beijing. Mandray an-tanana feno amin’ny fanataterahana ny fiaraha-miasa ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.

Vakinankaratra # Fanohanana ireo ankohonana marefo

Ankohonana marefo ara-pivelomana miisa 7 962 tao amin'ny faritra Vakinankaratra no nisitraka ny tantsoroka "Tsimbina". Mitontaly 250 000 ariary ny lelavola voarain'izy ireo, ka ny 19 oktobra lasa teo no nandraisany ny vatsy ara-bola faharoa. Tsara ny manamarika fa nisy ny mason-tsivana napetraka nahafahana namaritra ny lisitr'ireo ankohonana nisitraka ny fanohanana. Entin'izy ireo miatrika ny fiakaran'ny vidim-piainana sy manohana ny fianaran'ny ankizy io vola io. Famatsiambola iarahana amin'ny Banky Iraisam-pirenena ary iaraha-manatanteraka amin'ny Fonds d'Intervention pour le Développement (FID) izany tetikasa izany.

Tsiroanomandidy # Renikely namono ny zana-badiny

Fatin-jazalahikely 4 taona no hitan'ny fokonolona tao Ankadilalalana, Fokontany Mahazoarivo. Niely ny tsaho izay nampihorohoro ny mponina fa misy mpangala-jaza sady mangalatra taova. Rehefa natao nefa ny fizahana ny razana dia voamarina fa tsaho fotsiny no niparitaka. Tsy nisy taova very mantsy fa vono olona no nisy. Rehefa natao ny fikarohana dia fantatra fa ny renikeliny ihany no namono azy. Tsy azo ny zanak'ity renim-pianakaviana ity ka nialona ilay rafivaviny izy. Notaperiny araka izany ilay zana-drafiny, ka noheveriny fa mety kokoa raha "samy tsy manana". Marihana nefa fa tsy niara-nipetraka tamin'izy mivady ilay zaza fa notezain'ireo ray aman-drenin-dralehilahy. Mifanakaiky nefa ny trano ka mora tamin'ilay renikely ny nahazo ilay zaza.

Ihosy # Vokatra trondro voalohany tao Ambinanitelo

Tantsaha mpiompy trondro iray tao amin'ny Ambinanitelo, Kaominina Ambanivohitra Ambatolahy, no nanatontosa ny fiotazana voalohany ny vokatry ny fiompiana trondro Karpa izay nataony ny faha 23 Oktobra lasa teo.
Nahazo trondro hatrany amin’ny 700 kg izy ireo raha toa ka nanao ny fandrotsahana zana-trondro niisa 2000 ny 13 novambra 2023. Tao aorian’ny kajy natao dia nitotaly hatrany amin’ny 1923 ireo trondro azo tamin’izao fiotazana izao izay manana salan-danja lanja manodidina ny 400 gr. Raha fintinina dia nanodidina ny 96,15% ny taham-pahaveloman’ireo trondro izay nompiany tamin’ity andiany ity. Tao aorian’ny fiotazana sy ny fandajàna ny trondro izay azo dia noentina namidy avy hatrany tany antsena ireo vokatra ka 18 000 ariary no namarotana ny kilao tamin’izany.

Toamasina II : Fandrotsahana zanaka tilapia nilotica

Ho fanavaozana ireo tahiri-trondro an-dranomamy ao amin'ny farihin'Andovolalina sy "canal des pangalanes" dia nisy ny fandrotsahana zanaka tilapia nilotica miisa 4000. Tao amin'ny fokontany Antsirakimetatra sy Ambodisiny, Kaominina Ambanivohitra Amboditandroroho, izany no natao. Izany dia niarahana tamin'reo mpiompy trondro anaty fefy mitsingevana miisa roa ary natrehin'ny vovonan'ny fikambanana mpanjono Miara-mandroso. Marihana fa ao anatin'ny fikatonan'ny Jono an-dranomamy tanteraka ny Faritra Atsinanana amin'izao, nanomboka ny 15 Oktobra ka hatramin'ny 15 Desambra 2024.

Nosy Barren # Fametrahana tahiry maharitra ny vato hara

Tontosa ny 12 hatramin'ny 20 Oktobra 2024 tao amin'ny Nosy Barren, Distrikan'i Maintirano, tamin'ny alalan'ny fivoriam-pokonolona isaky Nosy ny fombafomba (Ritualisation) sy fanambarana amin'ny fomba ofisialy ny fisian'ireo tahiry maharitra ny vatohara. Nampahafantarina ihany koa ny fitsipika anatiny mifehy izany ka tahiry maharitra miisa 5 no tafapetraka nandritra izany dia ny Nosy Manandra, Nosy Mangily, Nosy Andrano ary Nosy Lava.
Ny tanjona moa dia ny mba hanatsarana ny fahasalaman'ireo vatohara "écosystème" izay toerana fonenan'ireo hazandrano maro. Marihana fa ny ONG Blue ventures vatsian'ny Tetikasa BAF vola no nanao ny tantsoroka tamin'izany.

Antenimierampirenena : Lany ny volavolan-dalàna mikasika ny fampianarana ny zazavavy

Tetibola mitentina 790 lavitrisa Ariary, entina hitazonana ireo zazavavy an-tsekoly sy hamerenana ireo efa niala an-daharana ary fampiakarana ny fari-pahalalan’ireo vehivavy entiny miatrika ny hoavy amin’ny alalan’ny fanofanana arak’asa. Voakasik’izany avokoa ireo zazavavy 10 ka hatramin’ny 17 taona, sy ireo vehivavy 18 ka hatramin’ny 35 taona.
Entina hanatanterahana izany dia hisy ny fampiroboroboana ny maha olona eo amin’ny lafiny fitazonana ny zazavavy any an-tsekoly sy fametrahana amin’ny toerana azo antoka ireo vehivavy tsy mianatra; fanamorana fahazoana asa ho an’ny vehivavy ; fananganana fiaraha-monina mahasoa ho an’ny fahaleovantenan’ny vehivavy; ary ny fitantanana ny tetikasa.

RizPlus # Fanamby mikasika ny fahaleovantena ara-tsakafo

Hatao laharam-pamehana ny famokarana ara-bary,ho fanatratrana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Nitohy tao amin’ny Faritry Sofia ny hetsika fampahatarana sy fanentanana ifotony ireo mpikambana mpampiasa rano (AUE) mahakasika ny fizarana hanam-pamokarana sy fitaovam-pambolena madinika ho fiatrehana ny taom-pambolena 2024-2025.
Hetsika tanterahin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, amin’ny alalan’ny Tetikasa Riz Plus, vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny AFD vola, ka tantsaha miisa 2 000 avy amin’ny kaominina miisa 13, Distrika 07 ao amin’ny faritra no hisitraka ny tosika. Marihina fa izay mahafeno ny fepetra takiana ihany no afaka misitraka ireo fitaovam-pambolena, ary misy fandraisana anjara avy amin’ireo tantsaha, mahazo fampiofanana ara-teknika ihany koa ireo mpisitraka.

BADMINAE : Fanamafisana ny fiaraha-miasa ho fanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo

Nitsidika ara-pomba fanajana ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Andriamatoa HAJARISON François Sergio ny Mpisolo-tena Maharitry ny Banky Afrikanina ho an'ny Fampandrosoana na ny BAD, Andriamatoa Adam Amoumoun, ny Alatsinainy 21 Oktobra lasa teo. Noresahana nandritry ny fihaonana fa hisy ny fikaonan-doha iraisam-pirenena ho an'ny fampivoarana ara-pamokarana na "transformation agricole".
Ho tohanana sy hoavaozina mba ho matihanina ny asa fambolena ary ho ampiroboroboana ireo orinasa mpamokatra amin'ny alalan'ny fandalinana ireo traikefa sy teknika ara-pambolena hananan'ny firenana hafa. Hanome tosika ny BAD ka hametraka rafitra mazava sy hanohana hatrany ireo tetikasan'ny Ministera.

Telma Madagascar # 10 taona nanolorana Internet amin'ny alalan'ny Fibre Optique

Ny alatsinainy 21 oktobra lasa teo no nampahafantarina tamin'ny fomba ofisialy ny tolotra "Fibre'in". Connexion internet mora indrindra amin'ny alalan'ny Fibre Optique izy io, satria jifaina amin'ny sarany 49 000 ariary isam-bolana monja. 100 Go no sitrahina amin'izany. Natao ho an'ireo tokantrano mampiasa fitaovana teknolojika vitsivitsy izy io. Ny hafainganam-pandehan'ny Connexion amin'izany dia mahatratra 200 Mbps. Mbola misy ihany koa ny tolotra hafa hahazoana Fibre Optique misy Connexion betsaka kokoa, arakaraka ny filàn'ny tsirairay. Tsiahivina nefa fa folo taona lasa izay, dia mbola 100 Mbps monja izany.

Lire la suite

Articles Similaires