• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Radio Fanasina Diosezy Morondava
Image
Vaovao

Fampandrosoana : Any Morondava amin’izao fotoana izao ny delegasiona japoney tarihin’i Masoivohony

25/10/2024 15:21 © Moov

Mitsidika an'i Morondava amin’izao fotoana izao ny Masoivohon’ny Japon miasa sy monina eto Madagasikara Abe Koji miaraka amin’ireo delegasiona tarihiny. Natao indrindra hanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny Japon sy ity faritra ity izany fotoana izany. Tohin’ny fifampiresahana teo amin’ny Solombavambahoaka André Haja Resampa sy ny Masoivoho tamin’ny roa volana lasa ity fifanatonana ity.

Hikaro-bahaolana ho amin’ny fampandrosoana

Raha ny tsikaritra dia mbola somary taraiky ity faritra ity amin’ny fampandrosoana. Araka izany, niompana tamin’ny fikaroham-bahaolana ho amin’ny fampandrosoana ny fihaonan’ireto delegasiona ireto tamin’ny sampan-draharaha tany an-toerana. Zava-dehibe indrindra tao anatin’izany ny sehatry ny fizahan-tany. Araka izany, nifantoka kokoa tamin'ny fanatsarana ilaina mba hisarihana mpitsidika Japoney bebe kokoa mankany an-toerana ny fifampiresahana. Raha ny fanamarihana dia liana kokoa amin'ny fizahan-tany ara-tontolo iainana sy ara-kolontsaina ny Japoney ary anisan’ny toerana mahasarika azy ireo ny faritr’i Menabe iny. Fepetra iray mamaly ny fampandrosoana ho an’i Menabe ny fizahan-tany noho ny fananany toerana maro be mahaliana sy mahasarika ireo vahiny.

Fotodrafitrasa

Ankoatra ity sehatry ny fizahantany ity dia niezaka nikaroka izay hitondrany ny anjara birikiny ho an’ny sehatra ara-tsosialy ihany koa ry zareo Japoney. Anisan’ny zava-dehibe tamin’izany ny fitsidihana ny EPP Centrale Morondava. Anisan’ny navoitran’ireo mpampianatra sy ny mpianatra ny fanarenana ny fotodrafitrasa sasantasany ao amin’izy ireo. Teo ihany koa anefa ny fijerena ny « voirie » misy ny sampana mpamonjy voina, ny tranompokonolona, ny labatoara. Saika ireo toerana ahitana ny zavatra manahirana ny vahoaka ireo nandalovan'ity masoivohon'ny japon ity. Santatra ambavarano ihany izany izao raha ny fanamarihana fa hisesy ny fanasan'ity Solombavambahoaka ity ireo masoivoho hafa. Hiijery sy hitondra anjara biriky hoan'ny vahoakan'ny Morondava, faritra Menabe izany. Marihina fa efa toromarika napetraky ny filoha Andry Rajoelina amin'ireo solombavambahoaka ny amin'ny hitadiavana fiarahamiasa amin'ireo masoivoho vahiny miasa sy monina eto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires