• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

DISCO AFRIKA : Horonantsary Malagasy mitety izao tontolo izao

25/10/2024 13:55 © Moov

Firenena tsy latsaky ny roapolo no efa nandefasana ny horonantsary Malagasy mitondra ny lohateny hoe "Disco Africa". Tsy ho ela intsony dia ho alefa eto Madagasikara io horonantsary io.

Anisan'ireo horonantsary afrikana tena be mpankafy ny "Disco Africa". Efa maro ireo hetsika (Festival) mikasika ny Cinéma izay nandefasana azy tany Allemagne, Canada, USA, Suisse, Japon, Italie, Egypte, Pays-Bas, sy firenena maro hafa. Efa nibata amboara ihany koa io horonantsary io, ka anisan'izany ny "Wouter Brandrecht Award" tamin'ny Rotterdam International Film Festival, sy ny "Prix d'interprétation masculine" tamin'ny Festival des Cinémas Africain de Tarifa. An'i Madagasikara indray izao ny mianoka io asa famoronan'i Luck Razanajaona io. I Toamasina no hahazo tombony voalohany ny zoma 1 novambra, ao amin'ny Le Petit Cinoche. Ho an'Antananarivo kosa, ao amin'ny CINEPAX Ambodivona ny fotoana ny zoma 8 novambra ao amin'ny Cinépax Ambodivona, ary ny zoma 15 novambra ao amin'ny CanalOlympia Andohatapenaka. "Long-métrage" ilay horonantsary ka 80 minitra no faharetany.

Tantara Malagasin'ny taona 70

Fahatsiarovana ny taona 70 teto Madagasikara ny Disco Afrika. Fiainana tanora any Atsinanana iray niady tamin'ny fahafahana, dia ny azy manokana sy ny an'ny firenena, no mivohitra. Niasa tamina fitrandrahana vato sarobidy tsy ara-dalàna io tovolahy io, ka rehefa tonga ny tompon'ny toerana dia voatery nody. Maty rahateo ny namany izay niara-niasa taminy. Nitady ny momba an-drainy izy rehefa tafaverina tao Toamasina, izay lavo noho ny tolom-panafahana. Nanohy ny dian-drainy izy avy eo satria niady tamin'ny tsy rariny nataona mpanondrana harem-pirenena an-tsokosoko.
Nandalo krizy maromaro teto amin'ny firenena i Luck Razanajaona (krizy 1991, 2002, 2009), sady nahalala tsara ny fahasahiranan'ny tanora eo amin'ny sehatra isan-karazany, ka izany indrindra no nahatonga ny aingam-panahiny tamin'ny famoranana ny tantara Disco Afrika.

Tantara manandratra ny kolontsaina sy ny teny Malagasy

Manandratra ny maha-Malagasy ny Disco Afrika. Amin'ny teny Malagasy mantsy ny horonantsary, fa misy kosa ny "sous-titrage" amin'ny teny Frantsay, anglisy, espagnol na allemand, noho izy alefa manerantany.
Ampahafantarin'ny mpanoratra ny nampiseho ny fahasahiranana lalovan'ny tanora, ka ao anatin'izany indrindra ny fahasarotan'ny fitadiavana asa. Misy ireo voatery mandao ny faritra niaviany, mivaro-tena na miara-miasa amin'ny jiolahy. Na eo aza ireo rehetra ireo dia misongadina firaisankinan'ny Malagasy, ny fifanotronana rehefa misy fahoriana na ady atrehana noho ny tsy rariny, ny fiafiana amin'ny andavan'andro, ny fifaliana eny anelanelan'ny ady mafy, ny hasarobidin'ny loharano niporana, sns.
Horonantsary mitondra hafatra mafonja ny Disco Afrika. Mamoha ny fitiavan-tanindrazana ao am-pon'ny Malagasy izany, sady manandratra ny Nosy eo imason'ny firenena maro maneran-tany.

Lire la suite

Articles Similaires