• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mv
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 7 hatramin'ny 13 oktobra 2024

14/10/2024 00:04 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 7 hatramin'ny alahady 13 oktobra.

CHU Andohatapenaka # Nahazo scanner vaovao

Mitohy hatrany ny ezaka isankarazany eo amin'ny sehatry ny fahasalamana,indrindra ny fampitaovana ireo toeram-pitsaboana. Noho ny fiarahamiasan'ny fanjakana malagasy sy japoney dia nisitraka "scanner" ny hopitaly manarapenitra eny Andohatapenaka. Tsy voatery hivezivezy lavitra intsony ireo marary ao amin'izany hôpitaly izany raha mila fitarafana avolenta. Ireo mararin'ny AVC no tena hahazo tombony amin'izany. Miisa 11 ankehitriny ireo "scanners" napetraka amin'ireo hopitaly manerana ny Nosy.

Barea # Mitohy ny lalao Eliminatoires CAN 2025

Isa sahala 1-1 no nisarahan'ny ekipam-pirenena Malagasy sy ny Gambiana ny zoma 11 oktobra lasa teo. I Clément Couturier moa no namono baolina, nandritra ny fanalavampotoanan'ny fizarana voalohany. Efa hifarana kosa ny lalao vao nitoko ny Gambiana. Azo lazaina fa maha-velombolo ny vokatra hatreto. Mila manenjika isa hatrany nefa i Madagasikara raha te handray anjara amin'ny CAN 2025. Hisy ny lalao miverina hifanandrinana amin'ny Gambiana ihany, androany 14 oktobra amin'ny 5 ora hariva (ora eto Madagasikara). Alefa Barea !

Fifidianana Ben'ny Tanàna # Fantatra avokoa ireo kandida sy ny laharany

Tontosa ny 8 oktobra lasa teo ny famoahan'ny CENI ny lisitra ofisialin'ireo kandida Ben'ny Tanàna. Ny ampitso, izany hoe ny 9 oktobra, no notontosaina ny fisarihana ny laharan'izy ireo ao amin'ny Biletà tokana. Raha ny eto Antananarivo Renivohitra dia toy izao ny filaharan'ireo kandida miisa 7 : 1-Ndriana Razanamasy, 2-Tahina Razafinjoelina, 3-Joseph Martin Randriamampionona, 4-Tojo Ravalomanana, 5-Monja Roindefo Zafitsimivalo, 6-Gascar Fenosoa, 7-Harilala Ramanantsoa. Amin'ny ankapobeny dia saika ahitana kandidan'ny IRMAR sy ny Firaisankina manerana ny Nosy. Misy ihany koa nefa ireo vondrona politika miha-matanjaka, toy ny FIVOI.

Famatsiana rano # Ampiharina ny vahaolana vonjimaika

Ny 11 oktobra lasa teo no nanatanterahan'ny Fitondram-panjakana ny fivoriana niaraka tamin’ireo solontenan’ny Banky Iraisam-pirenena. Ny fametrahana vahaolana maharitra amin'ny famahana ny olan'ny fitsinjarana rano eto Madagasikara no nodinihina amin'izany. Raha ho an'Antananarivo manokana, 330.000m³ isan'andro ny rano mamaly ny filan'ny mponina nefa misy tsy fahampiana 100.000m³.
Ao anatin'ny fohy ezaka dia mitohy ny famenoana ireo "bonbonnes" mitahiry rano miisa 150 napetraka manerana ireo fokontany eto Antananarivo. Miisa 8 ireo fiara mpitatitra rano an'ny orinasa JIRAMA izay nahafahana nameno "bonbonnes" miisa teo amin'ny 40, ka nampiana fiara lehibe miisa 10 avy hatrany izany mba hahafahana mameno azy rehetra. Hiampy fiara lehibe miisa 4 vaovao avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena izy ireo. Hisy ihany koa ny fanamboarana "forages" vaovao na fanarenana ireo simba.

Famatsiana rano # Efa misy vahaolana maharitra

Ho an'ny lavitr'ezaka dia fantson-drano mirefy 78km no harenina tanteraka mba tsy hisian'ny fahaverezana eo amin’ny tambazotra fanapariahana rano. Ivon-toerana lehibe mpamokatra rano miisa telo ao Ambohitrimanjaka, Mandroseza ary Amoron’Ankona kosa no hatsangana hahafahana mamahy tanteraka ny olan’ny rano eto Antananarivo renivohitra satria hamokatra maherin'ny 100.000 m³ fanampiny ny vokatra efa misy isanandro ireo toerana ireo. Tanjona hoy ny Filoha Andry Rajoelina ny tsy hiverenan'ny olan'ny tsy fahampian-drano tahaka izao intsony rehefa vanim-potoanan'ny main-tany. Antenaina kosa fa hiakatra ny fahafahan'ny JIRAMA mamatsy rano amin'ny vanimpotoanan'ny fahavaratra.

Rivodoza Gamane # Nanolotra fanampiana ny fanjakana Maorisianina

Ny 9 oktobra lasa teo no nanoloran'ny governemanta Maorisianina vola mitentina 25.000 dolara amerikana. Natao hanohanana ireo mponina traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gamane any avaratr'i Madagasikara moa izany. Ramatoa Rasata Rafaravavitafika, Minisitry ny Raharaham-bahiny, no nandray fanomezana.
Mariky ny firaisankina eo amin’ny firenena roa tonta izay samy anatin'ny indiana no anton’izao lanonana izao, ary hahafahan’ny BNGRC miatrika ny filana maika ho an’ireo tra-boina. “Ity fihetsika ity dia mampiseho ny hamafin’ny fifamatorana mampiray an’i Madagasikara sy Maorisy ary ny fahavonona amin’ny fiatrehana ireo fanamby iraisana, indrindra ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny voka-dratsy aterany”, hoy Ramatoa Minisitra.

Itasy # Fankalazana ny Andro manerantany ho an’ny toeram-ponenana

Tany Arivonimamo no nanatanterahana ny fankalazana ny andro manerantany ho an’ny toeram-ponenana. Nisy araka izany ny fampirantiana ny vokatra vokarin’ny orinasa kaoperativa sy fanasongadinana ny sanda harin'ny Tetikasa ODOF no nataon’ny Fitalevam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC). Nasandratra tamin'izany ny mena-boanjo vokarin'ny Orinasa ODOF NOBEL FLEUR ao Analavory, ny vokatra mampiavaka an’Arivonimamo voaodin’ny Kaoperativa COAGRI, ny divay avy amin’ny voankazo amboarin’ny Kaoperativa JETPRA, ny TAPIA D’ITASY manodina ny tapia ho lasa divay, ny asa tanana vita amin’ny landy avy amin’ny Kaoperativa FIMAMI ary ny kafe Arabica an’ny Kaoperativa KKAAI. Hisy moa ny fametrahana ny Vala indostrialy ao Fieferamanga, izay Tetikasan'ny Filoham-pirenena.

Ambovombe # Fanentanana momba ny "Intoxication par la Consommation d’Animaux Marins"

Nanao fanentanana mikasika ny "Intoxication par la Consommation d’Animaux Marins" (ICAM) ny ekipan'ny DRPEB Androy, ny 8 oktobra lasa teo. Nandritra izany no nampatsiahivana ireo mpivarotra sy ireo mpividy fia amin’ny fisian’ireo fia miteraka aretina sy fanampoizinana ara-tsakafo rehefa hoanina mandritra ny vanim-potoanan’ny andro mafana toy izao ka tsy tokony hamidy eny an-tsena satria voararan’ny lalàna ary mitera-doza ho an’ny mpiara-belona ihany koa ny fanjifana izany. Nandritra ny fanentanana dia tsapa fa liana ireo vahoaka satria nisy nilaza sy nijoro vavolombelona mihintsy satria efa tratran’ny trangan’ny fanampoizinana ara-tsakafo vokatry ny fihinanana haza an-dranomasina na ny ICAM.

Manakara # Fanentanana mikasika ny fanapoizinana amin'ny fihinanana hazan-dranomasina

Nisitraka fanentanana mikasika ny "Intoxication par la Consommation d’Animaux Marins" (ICAM) ihany koa ny mponina tao Ampilao, kaominina Ambonivohitra Manakara, ny 9 oktobra lasa teo. Tokony ho mailo hatrany mantsy ny rehetra manoloana ny mety ho fisian'n tranga momba ny fanampoizinana ateraky ny Fihinana hazan-dranomasina sasatsasany mandritra ny andro mafana. Ny mpanjono sy ny vadin'izy ireo no tena nokendrena tamin'izany fanentanana izany.
Nampatsiahivina nandritra ny hetsika ireo karazana trondro mety hiteraka fanampoizinana sady mety hahafaty mihitsy. Nampahafantarina azy ireo ihany koa ny fomba fikarakarana ny trondro.

Mahajanga # Fahandroana sakafo amin'ny angovo madio

Ao anatin'ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina eto Madagasikara, nisy ny fampiofanana teknisianina amin'ny fanamboarana ireo fitaovana hanaovana arina manaja ny tontolo iainana (Charbon écologique), ny 10 oktobra lasa teo. Anisan'ireo fitaovana tena miasa ohatra ny "Carbonisateur , Broyeur , Malaxeur , Extrudeuse". Hiroso amin'ny famokarana arina fandrehitra mikajy ny tontolo iainana moa ireo teknisianina vita fiofanana.
Izany hetsika izany dia tafiditra anatin'ny ezaka fanomezan-danja ny fomba fahandroana sakafo amin'ny angovo madio (cuisson propre / clean cooking) beto Madagasikara izay mifandraika amin'ny Politika Ankapoben'ny Fanjakana (PGE) .

Maintirano # Nisy fampiofanana mikasika ny jono

Nisy fampiofanana maimaimpoana mahakasika ny fandrafetana « palangre », fiompiana trondro Tilapia ary asa velontena fanampiny hafa toy ny fiompiana gana tany Manombo sy Beloba, Kaominina Betanatana, Distrikan’i Maintirano. Niisa 54 ireo tonga namaly ny antso tao Manombo, izay nahitana vehivavy miisa 25 ary lehilahy miisa 29. Ny tao Belba ndray dia mbola 54 ihany ireo mpandray anjara, saingy vehivavy ny 15 ary lehilahy ny 39 .
Tao aorian’ny fampiofanana izao dia nisy ny fangatahana mba hanampiana ireo vovo ao amin’ny Fkt Manombo. Izany no tontosa dia noho ny fanantanterahan'ireo orinasa misehatra eo amin’ny jono makamba ao amin’ny Zones C1 sy C2 ny bokin’andraikitra sy ny « engagement » n‘izy ireo ho fanohanana hatrany velontenan’ireo mpanjono .

Taolagnaro # Fampitàna fahalalana momba ny Fampamokarana fototra ny atirano

Mpianatra miisa 20 mianadahy avy ao amin’ny Institut d’Enseignement Supérieur Anôsy (IESA), Sampana « Science Marine » no manaraka fampianarana mahakasika ny Fampamokarana fototra ny atirano na ny Aquaculture de Base ho an’ity taona 2024 ity.Isan’ny taranja tsy maintsy arahan’ny mpianatra ao amin’ny taona faha-3 ny mahakasika ny fampamokarana ny atirano izay mameno ireo taranja hafa hahazoana ny marim-pahaizana Licence. Lohahevitra maro no natolotra ireto mpianatra ireto nandritra izany toy ny karazam-piompiana sy fambolena anaty rano na an-dranomamy na an-dranomasina, ny fiompiana trondro an-dranomamy toy ny karpa sy ny tilapia ary ny fampamokarana ny atirano eto Madagasikara.

Salon de l'Auto # Tolotra ho an'ny sokajin'olona rehetra

Tontosa ny 10 hatramin'ny 13 oktobra lasa teo ny "Salon de l'Auto 2024". Tonga maro ny nasaina, ary afa-po avokoa na ireo mpandray anjara na ireo mpitsidika. Nampiavaka ity hetsika ity ny fahamaroan'ny "véhicules électriques" izay ananan'ny mpamarotra fiara vitsivitsy eto Madagasikara. Efa miha-maro ireo olon-tsotra sy orinasa liana amin'izany fiara tsy mila solika izany. Ny vidiny rahateo dia mitovitovy amin'ny fiara mahazatra ihany, manomboka amin'ny 50 tapitrisa ariary. Ny fikojana nefa dia tena mora, sady tsy dia misy piesy soloina firy na vokatra ampiasaina manokana. Tsy diso anjara ihany koa ireo nitady fiara, kodiaran-telo na kodiarandroa mahazatra.

Lire la suite

Articles Similaires