PLAE-PARE : Velaran-tany mirefy 3 161 ha voajary sy voarina tao Matsiatra Ambony
Nahatratra 3 161 hektara ny velaran-tany voajary sy voaarin’ny fandaharanasa PLAE-PARE tao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony nandritra ny taom-pamokarana 2025–2026. Manodidina ny 82% izany raha 3 858 hektara ny tanjona napetraka ho an’ity taom-pamokarana ity. Asa maro ho fiarovana sy famerenana amin’ny laoniny ny harena voajanaharyno natao tamin’izany.
Velaran-tany maherin’ny 3 000 ha voakasika
Nifantoka tamin’ny sehatra maro mifandraika amin’ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary ireo asa vita. Ao anatin’ireo 3 161 hektara ireo, 920 hektara no natokana ho an’ny fambolen-kazo ataon’ny olon-tsotra. Nahatratra 533 hektara kosa ny velaran-tany natokana ho an’ny fambolen-kazo ataon’ny kaominina.
Ankoatra izany, 624 hektara ny tahirin’ala voaaro. Velaran-tany mirefy 956 hektara indray no nanaovana fambolena nampiarahana tamin’ny teknikan’ny ala vadimboly. Ity teknika ity dia mampifandray ny asa fambolena sy ny fitantanana ny harena an’ala.
Nisy ihany koa ny ezaka natao ho fanatsarana ny kijana. Nahatratra 128 hektara ny velaran-kijana nohatsaraina nandritra ity taom-pamokarana ity. Etsy ankilany, 845,4 hektara no nahazo fiarovana ara-pananan-tany. Ireo asa ireo dia natao hanatsarana ny fitantanana ny velaran-tany any ambanivohitra sy hiarovana ireo harena voajanahary ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony avokoa.
Drafitra ho an’ny taom-pamokarana manaraka
Nampahafantarina sy noresahina tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Komitim-paritry ny fanjohiana sy fanaraha-maso ny fandaharanasa, na CoReS, ireo vokatra azo nandritra ny taom-pamokarana 2025–2026. Ny 3 sy 4 septambra lasa teo no nanaovana izany. Nandritra ny fihaonana no nanolorana ny drafitr’asa sy ny tetibola ho an’ny taom-pamokarana manaraka. Tanjona ny hanohizana ireo asa efa natomboka, indrindra ny fambolen-kazo, ny fambolena mampiasa teknikan’ny ala vadimboly, ny fanatsarana ny kijana ary ny fiarovana ny harena voajanahary. Tanjona ny hampiakatra hatrany ny vokatra azo amin’ny fanajariana ny tany sy fanatsarana izany.




