Fikaonandohan-pirenena : lohahevitra 12 no aroson’ny FFKM hodinihina
Lohahevitra 12, voasokajy ao anaty antontan-dohahevitra telo, no hifotoran’ny Dinika Fikaonandoham-pirenena, izay hanomboka amin’ny 14 septambra 2026. Tanjona ny hametrahana adihevitra lalina momba ireo sehatra fototra tokony havaozina mba hampandrosoana an’i Madagasikara.
Miomana amin’ny fanombohana ny Dinika Fikaonandoham-pirenena ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM), izay nanankinana ny fandrindrana ity dingana fifampidinihana nasionaly ity. Araka ny fandaharam-potoana navoakan’ny FFKM, ny 14 septambra 2026 no hanombohan’ny dinika eny ifotony. Lohahevitra 12 no hifantohan’ny adihevitra, amin’ny ankapobeny, izay nalamina ao anatin’ny antontan-dohahevitra telo.
Lohahevitra hitondrana soso-kevitra
Ny antontan-dohahevitra voalohany, izay natokana ho an’ny « Andry fototra », dia ahitana ny fitantanan-draharaha sy ny rafi-pitantanana, ny fampiasana sy fahazoana ireo zo fototra, ny toe-karena sy ny fampandrosoana maharitra, ary ny fitsarana, fandriam-pahalemana sy ny fanjakana tan-dalàna.
Ny fiarahamonina sy ny fanjakana kosa no hifotoran’ny antontan-dohahevitra faharoa. Hodinihina amin’izany ny fiarahamonina miray hina sy ny fifanampiana, ny kolontsaina sy ny soatoavina Malagasy, ny tontolo iainana sy ny fitantanana ny faritry ny firenena, ary ny fifandraisana ivelany sy ny fiandrianam-pirenena.
Ny antontan-dohahevitra fahatelo, « Rafitra sy ny fiantraikany », dia ahitana ny fitsinjaram-pahefana sy ny harena eto an-toerana, ny ankizy, ny tanora ary ny olona marefo, ny fandikana ireo izay tapaka ho lasa lalàna, ary ny fanavaozana ny fitantam-panjakana sy ny fitantam-bola.
Ireo lohahevitra ireo no hifampiresahana mandritra ireo dingana samihafa amin’ny fikaonandohana. Ny tanjona dia ny hahafahana mametraka soso-kevitra momba ireo fanavaozana heverina fa ilaina amin’ny fiainam-pirenena.
Dinika mandalo dingana maromaro
Aorian’ny fanombohana ny dinika eny ifotony, ny 14 septambra, dia hotanterahina ny 5 oktobra ny dinika kaominaly, ny 26 oktobra ny dinika eny anivon’ny distrika, ary ny 16 novambra ny dinika eny anivon’ny faritra. Haharitra ny 14 septambra ka hatramin’ny 16 novambra kosa ny dinika ho an’ireo Malagasy any am-pielezana. Ny dinika nasionaly no dingana farany amin’ity fizotran’ny fikaonandohana ity, ary kasaina hatao amin’ny volana martsa 2027. Ny tatitra farany kosa dia vinavinaina havoaka amin’ny volana mey 2027.
Efa tontosa ny 26 ka hatramin’ny 28 aogositra 2026 moa ny fampiofanana ireo mpampiofana isan-tsehatra. Nanomboka ny 1 septambra ary hitohy hatramin’ny 11 septambra kosa ny fampahafantarana momba ny dinika fikaonandoham-pirenena eny anivon’ny distrika, kaominina ary fokontany, mialoha ny hidirana amin’ny dingana nasiônaly.




