Tara any Bemolanga : Maintirano sy Morafenobe no hanandramana voalohany azy amin’ny fanamboaran-dalana
Afaka manana anjara toerana lehibe amin’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa eto Madagasikara ny tara voajanahary (grès bitumineux) ao Bemolanga. Ny lalana ao an-tampon-tanànan’i Maintirano sy ao amin’ny Distrikan’i Morafenobe no hanandramana voalohany ny fampiasana ity akora trandrahana eto an-toerana ity, alohan’ny hanitarana izany manerana ny Nosy.
Akora eto an-toerana hanatsarana ny lalana
Efa miroso tsikelikely amin’ny fampiasana ny tara voajanahary trandrahana any Bemolanga i Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny ezaka fanatsarana ny lalana mampitohy an’i Tsiroanomandidy sy Maintirano izany, izay andraisan’ny Tafika Malagasy anjara amin’ny alalan’ny Jenia Miaramila.
Ny Jeneraly Pikulas Démosthène, Lehiben’ny Etamajorôn’ireo Tafika, no nanolotra ny hevitra hampiasana io "goudron" trandrahana ao amin'ny distrikan'i Morafenobe io, amin’ny fanatsarana ny lalana ao an-tampon-tanànan’i Maintirano. Efa nisy ny fidinana ifotony niarahan’ny Tafika Malagasy sy ny ministeran’ny Asa Vaventy, tany an-toerana, ho fanomanana ny fanatanterahana ny asa.
Harena stratejika ho an'ny fampandrosoana
Efa nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra, ny 2 jona 2026, raha tsiahivina, ny tetikasa andrana hampiasana ny tara voajanahary ao Bemolanga, amin’ny fikojakojana ny lalana ao Morafenobe. Hiarahan’ny OMNIS (Ofisin'ny Harena an-kibon'ny tany nasionaly sy ireo Indostria Stratejika), ny Laboratoara Nasionalin’ny Asa Vaventy sy ny Taotrano (LNTPB) ary ny ministeran’ny Asa Vaventy manatanteraka izany, miaraka amin’ny famatsiam-bolan’ny Tahirim-bola ho an'ny Lalana.
Akora 300 taonina no hakana sy omanina ho an’ny andrana voalohany. Kendrena amin’izany ny handrefesana ny fahombiazany ara-teknika sy ara-toekarena. Tombanana ho 2,85 miliara barila ny tahirin’ny tara voajanahary ao Bemolanga, izay vao mainka manamafy ny lanjany ho harena stratejika, afaka manampy amin’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa eto amin’ny firenena. Raha mahomby ny andrana atao ao Maintirano sy Morafenobe, dia kasaina hampiasaina amin’ny asa fanamboaran-dalana any amin’ny faritra hafa eto Madagasikara ihany koa ity harena eto an-toerana ity.




