• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Famokarana herinaratra eto Antananarivo : hihatsara kokoa amin’ny faran’ny herinandro, hoy ny JIRAMA

09/09/2026 14:56 © Moov.Mg

Misy tsy fahampiana, izay tombanana ho manodidina ny 25 hatramin’ny 30 MW ny famokarana herinaratra ao amin’ny Tambajotra Iraisan’Antananarivo (RIA) amin’izao fotoana izao. Efa misy anefa ny fanndraisana fepetra hamenoana tsikelikely izany banga izany, ka heverina ny hisian’ny fihatsaran’ny famatsiana manomboka amin’ny faran’ity herinandro ity.

Fahabangana 25 hatramin’ny 30 MW

Maro ireo antony mahatonga ny fahatapahan-jiro misesisesy ao amin’ny RIA. Anisan’ny lehibe indrindra ny fahasimban’ny fitaovana sasany ao amin’ny tobim-pamokarana TAC I, ao Ambohimanambola. Mahatratra 18 MW ny tanjaka very amin’izao fotoana izao noho ny tsy fahafahan’ity tobim-pamokarana ity miasa, araka ny fanazavana nomen’ny minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Radonirina Lucas Rabearimanga. Efa nafarana ny fitaovana hanoloana izany ary andrasana ho tonga ato ho ato. Mbola hanaovana andrana anefa izany rehefa tonga, ka vinavinaina ho tafaverina miasa ny TAC I amin’ny faran’ity herinandro ity.

Misy fiantraikany amin’ny famokarana ihany koa ny toetr’andro. Araka ny fanazavana hatrany, mampihena ny tahirin-drano ny fahamafisan’ny tranga El Niño, ka mihena vokatr’izany ny herinaratra azo avy amin’ireo tobim-pamokarana miankina amin’ny rano. Etsy an-daniny anefa, dia misy ihany koa ny fahasimbana ao amin’ny Afripower Mandroseza, izay efa eo am-panamboarana. Manodidina ny folo andro no vinavinaina hahavitan’ny asa. Efa eo am-panarenana ihany koa ireo olana nitranga tany Mandraka sy Ambohimanambola.

Fandatsahana orana artifisialy

Nisy ny fihaonana teo amin’ny minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Radonirina Lucas Rabearimanga, sy ny tale jeneralin’ny JIRAMA, ny Jeneraly Hajatiana Rasolomanana, omaly 8 septambra 2026, izay niresahina ireo fepetra hampitomboana ny famokarana herinaratra ato anatin’ny Tambajotra Iraisan’Antananarivo. Anisan’ireo fepetra efa noraisina ny fampandehanana tobim-pamokarana vaovao manana tanjaka 3,4 MW ao Ambohimanambola, iarahana amin’ny orinasa MADO. Efa eo am-pametrahana ny fitaovana ary vinavinaina ho tafapetraka amin’ity faran’ny herinandro ity. Efa natomboka omaly ihany koa ny fandatsahana orana artifisialy, izay hitohy mandritra ny telo andro, mba hanampiana amin’ny famenoana ny tahirin-drano ilaina amin’ny famokarana.

Herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina

Mitohy ihany koa ny fampitomboana ny famokarana avy amin’ny angovo azo havaozina. Ao Moramanga, efa ampandehanina tsikelikely ilay tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro manana tanjaka 15 MWc, ka 5 MWc no vokatra voalohany andrasana. Etsy an-daniny, misy ny fanafarana milina vaovao manana tanjaka 7 MW sy 13,2 MW. Hampiana 3 MWc ihany koa ny famokarana avy amin’ny tobim-pamokarana ao Mangatany, amin’ny faran’ity volana ity, raha mbola hisy 2 MWc fanampiny, isam-bolana, avy amin’ireo tobim-pamokarana hafa.

Tanjona ny hampitomboana haingana ny famokarana sy hampihenana ny fahabangana ao amin’ny RIA, ka mba hanafoanana, na hanalefahana ny fanapahan-jiro mifandimby, izay iainan’ny mponin’Antananarivo amin’izao fotoana izao.

Lire la suite

Articles Similaires