Torohevitra hahitana tory haingana rehefa avy tapa-tory amin’ny alina
Tapa-tory amin’ny alina, mijery ny ora, ary avy eo vao mainka tsy mahita tory: efa niainanao ve izany? Fahita amin’ny olona maro izany, indrindra rehefa be zavatra eritreretina na sahirana amin’ny adin-tsaina. Tsy voatery hiantehitra amin’ny fanafody avy hatrany anefa ianao. Ireto misy fahazarana tsotra afaka manampy hiverenan’ny torimaso haingana.
Ny fitsipika volamena: aza alaim-panahy hijery finday
Io no fandrika voalohany. Rehefa tapa-tory amin’ny alina dia mora ny alaim-panahy hijery finday mba “hahitana ny ora” na hampiala voly ny saina. Ny hazavana manga avoakan’ny finday, « tablette » na famantaranandro mamirapiratra nefa dia manakana ny famokaran’ny vatana ny « mélatonine », ilay hormonina manampy amin’ny torimaso, ary mandefa hafatra any amin’ny atidoha fa efa maraina.
Inona no azo atao? Avadiho na afeno ny famantaranandro mba tsy hijerenao tsy tapaka ny ora satria mety vao mainka hampitombo ny rarintsaina izany. Avelao ho somary maizimaizina ihany koa ny efitrano.
Mialà eo am-pandriana raha tsy miverina ny torimaso
Raha efa 15 ka hatramin’ny 20 minitra no lasa nefa mbola tsy mahita tory ianao, dia aleo tsy mijanona eo am-pandriana. Mety lasa ampifandraisin’ny atidoha amin’ny fahamailoana, ny fieritreretana tafahoatra ny fandrianao fa tsy amin’ny toerana fialan-tsasatra intsony.
Inona no atao? Mankanesa any amin’ny efitrano hafa izay tsy dia mazava loatra ny jiro. Mipetraha tsara amin’ny seza mampahazo aina, ary manaova zavatra tony sy tsy dia manaitaitra toy ny mamaky gazety na boky tsotra (fa tsy tantara mampientanentana be!), mihaino mozika malefaka… Raha vao tsapanao fa mavesatra indray ny hodi-masonao, dia miverena mandry.
Manaova fanazaran-tena amin’ny fofonaina sy fialan-tsasatra
Mba hampitoniana ny « système nerveux » izay mbola mailo, dia tena manampy ny fifehezana ny fofonaina. Manampy hampiadana ny fitempon’ny fo sy hampitony ny saina izany.
Fifandanjan’ny fitempon’ny fo (cohérence cardiaque) : Mifoka rivotra lalina amin’ny orona mandritra ny 5 segondra, avy eo mamoaka azy moramora amin’ny vava mandritra ny 5 segondra. Avereno mandritra ny 5 minitra.
Ny teknika 4-7-8 : Mifoka rivotra amin’ny orona mandritra ny 4 segondra, tazomy mandritra ny 7 segondra, ary avoahy moramora amin’ny vava mandritra ny 8 segondra.
Fijerena tsikelikely ny vatana (scan corporel) : Na mandry ianao na mipetraka, ampifantohy tsikelikely amin’ny faritra tsirairay amin’ny vatanao ny sainao, manomboka any amin’ny rantsan-tongotra ka hatrany an-tampon-doha. Alaivo sary an-tsaina fa mihalevona tsikelikely ny fihenjanana isaky ny mamoaka rivotra ianao.
Soraty ny zavatra eritreretinao mba hampitony ny saina
Matetika, ny fahatapahan’ny torimaso amin’ny alina dia vokatry ny fahabetsahan’ny zavatra ao an-tsaina: hevitra iray, ahiahy, na asa iray hadino izay toa tonga mandondòna eo am-baravaran’ny sainao.
Ny vahaolana : Ataovy eo akaikin’ny fandriana ny kahie sy penina iray. Raha mihodinkodina tsy an-kijanona ao an-tsainao ny eritreritra, dia asio jiro malefaka ary soraty izay rehetra mampanahy anao.
Rehefa apetrakao eo amin’ny taratasy ireo eritreritra ireo, dia toy ny milaza amin’ny atidohanao ianao hoe: “Efa voasoratra izany, ka afaka miala sasatra aloha ianao. Rahampitso isika no hikarakara azy.”




