Fikafika hitahirizana ela kokoa ny zava-maitso manome hanitra ny sakafo
Ny persily, kotomila, basilika, solila, tongolo maitso… dia manampy tsiro sy hanitra manokana amin’ny sakafo andavanandro. Matetika nefa izy ireny dia mora malazo ka sarotra tehirizina. Ireto manaraka ireto àry misy fikafika tsotra afaka manampy hitahirizana ela kokoa ireny karazana zava-maitso manome hanitra sy tsiro ny sakafo ireny.
Apetraka anaty rano toy ny voninkazo
Ity no isan’ireo fikafika mahomby indrindra hitahirizana ela kokoa ny zava-maitso manome hanitra sakafo mba hahatonga azy ireny tsy ho mora maina na malazo. Tsotra ny fomba atao :
Tapahana kely ny tendron’ny tahony avy eo apetraka ao anaty vera na tavoahany misy rano kely ireo zava-maitso. Saromana amin’ny harona platsika na fonosana manify. Ovaina isaky ny roa na telo andro ny rano.
Tena mety tsara izy io hitahirizana ny persily, kotomila, solila ary basilika. Afaka mitazona azy ireny tsy ho simba mandritra ny andro maro na herinandro iray arakaraka ny karazana zava-maitso.
Fonosina lamba mando kely
Fomba iray isan’ny be mpampiasa hatry ny ela izy ity. Sasana moramora ireo zava-maitso manome hanitra ny sakafo. Hamainina tsara mba tsy ho lo. Fonosina lamba madio somary lena.
Apetraka ao amin’ny vata fampangatsiahana, eo amin’ny toerana fitahirizana legioma.Ny hamandoana ao amin’ilay lamba dia manampy amin’ny fitazonana ny ravina tsy ho maina, nefa tsy mampitombo rano be loatra ao aminy.
Tehirizina ao anaty vata fampangatsiahana mangatsiaka (congélateur)
Fomba tsara hitahirizana zava-manitra mandritra ny volana maromaro ny fampangatsiahana. Misy fomba roa atao. Ny voalohany dia amin’ny endrika voatetika. Izany hoe tetehana madinika ireo zava-maitso avy eo atao anaty boaty na « sachet » mihidy tsara alohan’ny hampirimana azy anaty « congélateur ». Ampiasaina mivantana rehefa mahando sakafo.
Ny fomba faharoa dia atao anaty gilasy. Izany hoe atao anaty lasitra fanaovana gilasy (glaçons) ireo zava-maitso voatetika madinika. Asiana rano na menaka oliva kely avy eo atsofoka anaty « congélateur » mba hivaingana. Ireo gilasy kely azo avy amin’izany dia mety tsara atao amin’ny lasopy, saosy na sakafo andrahoina ela.
Hamainina
Misy karazana zava-maitso manome hanitra ny sakafo mora tehirizina kokoa rehefa maina, toy ny « thym », « romarin », « origan » sy ny ravina « laurier ». Tsotra ny fanaovana azy : atao fehezam-boninkazo madinika. Avy eo ahantona amin’ny toerana maina, tsy azon’ny masoandro mivantana ary misy rivotra. Avela ho maina mandritra ny andro maromaro. Rehefa izay dia tehirizina ao anaty tavoahangy mihidy tsara.




