Ankavia na « gauchers » : ireo honohono sy ny tena zava-misy tsara fantatra
Ny atao hoe ankavia na « gauchers » dia ireo olona manoratra, misakafo, manao sary na mampiasa fitaovana amin’ny tanana havia kokoa noho ny tanana havanana. Matetika dia hatramin’ny fahazazana no hita io fahasamihafana io. Maro ireo honohono sy filazana tsy voaporofo mikasika ny olona « gauchers ». Amin’izao andro maneran-tany ho an’ny olona ankavia izao dia andeha ho resahana manokana eto ny santionany amin’ireo honohono mikasika azy ireny sy ny tena zava-misy tsara ho fantatra.
Inona no mahatonga ny olona sasany ho « gauchers » ?
Ny fampiasana tanana iray mihoatra noho ny iray hafa dia mifandray amin’ny fomba fandaminan’ny atidoha ny asa samihafa. Miforona tsikelikely mandritra ny fivoaran’ny zaza izany fironana izany.
Heverina fa anton-javatra maro no mandray anjara amin’izany, anisan’izany ny fototarazo, ny fivoaran’ny atidoha ary ny tontolo iainana. Tsy misy anefa ilay antsoina hoe “gène du gaucher » na fototarazo tokana mahatonga ny olona ho ankavia. Vokatry ny fifandraisan-javatra maro samihafa izy io.
Tombanana fa olona iray amin’ny folo eo ho eo no ankavia. Na dia vitsy an’isa aza izy ireo dia tsy midika izany fa olona miavaka amin’ny maro izy ireny.
Honohono voalohany : marani-tsaina kokoa ny olona « gauchers »
Isan’ireo hevitra tena miely izy io. Marihana nefa fa tsy misy porofo ampy manamarina fa marani-tsaina kokoa ny olona « gauchers » noho ny olona havanana (droitiers).
Misy fikarohana sasany nahita fahasamihafana kely tamin’ny fahaiza-misaina na ny fomba famahana olana teo amin’ny olona ankavia sy havanana. Tsy midika anefa izany fa ny tanana ampiasaina no mamaritra ny haavon’ny faharanitan-tsaina.
Ny olona ankavia dia mety ho tena mahay amin’ny matematika, literatiora, mozika na zavakanto, tahaka ny olona havanana ihany. Tsy azo refesina amin’ny tanana ampiasaina hanoratana fotsiny ny faharanitan-tsaina.
Honohono faharoa : mamorona na « créatif » kokoa ny olona ankavia
Hevitra iray hafa re matetika ihany koa izany. Maro amin’ireo mpanakanto, mpitendry zavamaneno, mpanao fanatanjahantena na olona mpamorona no ankavia, ka izany no mety nahatonga ity finoana ity.
Tsy mbola misy nefa hatreto ny porofo matanjaka milaza fa mahatonga ny olona ho be famoronana ho azy ny maha-ankavia azy. Miankina amin’ny zavatra maro ny fahaiza-mamorona, toy ny toetra, ny traikefa, ny talenta, ny eritreritra, ny fianarana, ny tontolo iainana ary ny fahazotoana. Noho izany, tsy hoe « gauchers » ny olona iray dia tsy maintsy hoe mahay mamorona kokoa.
Honohono fahatelo : hafa tanteraka ny fiasan’ny atidohan’ny olona ankavia
Marina fa mety hisy fahasamihafana sasany eo amin’ny fomba fandaminan’ny atidohan’ny olona ankavia ny asa, saingy tsy midika izany fa manana atidoha hafa tanteraka izy mihoatra ny olona « droitiers ».
Amin’ny ankamaroan’ny olona, misy asa sasany mifandray bebe kokoa amin’ny ilany iray amin’ny atidoha (hémisphère cérébral). Mety ho samy hafa kokoa nefa ny fandrindrana ireo asa ireo amin’ny olona ankavia.
Ohatra, ny fiteny dia matetika mifandray indrindra amin’ny ilany havia amin’ny atidoha. Amin’ny olona ankavia sasany kosa dia mety hisy fahasamihafana kely ny fizaran’izany asa izany. Izany dia manamporofo fa tena « flexible » ny atidohan’olombelona.
Zavatra mahagaga : mety hahazo tombony amin’ny fanatanjahantena sasany ny olona ankavia
Amin’ny fanatanjahantena izay ifanandrinan’ny mpilalao mivantana, dia mety hanana tombony ara-paikady kely ny olona ankavia.
Matetika amin’ny « tennis », « tennis de table », ady totohondry sy fanatanjahantena sasany misy fifanandrinana mivantana, dia ny olona havanana no atrehan’ny mpilalao. Noho izany dia mety tsy ho zatra loatra izy ireny miatrika olona « gauchers ». Ny olona « gauchers » kosa dia zatra miatrika olona havanana matetika kokoa.
Tsy midika akory izany fa tsara kokoa amin’ny fanatanjahantena ny olona ankavia, fa mety hanana tombony ara-paikady izy noho ny mpifanandrina aminy tsy zatra amin’ny fomba filalaony.
Mety ho sarotra amin’ny olona ankavia ve ny mampiasa fitaovana sasany?
Eny, saingy tsy midika izany hoe tsy dia havanana kokoa izy ireny.
Maro amin’ny fitaovana ampiasaintsika andavanandro no natao indrindra ho an’ny olona « droitiers » : latabatra na seza fanoratana, fitaovana isan-karazany, sy fitaovana sasany ampiasaina any am-piasana.
Noho izany, dia indraindray tsy maintsy mampifanaraka ny fomba fampiasany ilay fitaovana (s’adapter) ny olona ankavia.
Mety hahatonga azy ho toy ny somary mikaviavia izany, nefa tsy voatery ho izany no tena antony. Raha omena fitaovana mifanaraka aminy izy, dia afaka manana fahaiza-manao sy fahitsiana tsara ihany koa.
Mety hisy ny mampiavaka ny fanoratana amin’ny tanana havia
Mety ho somary sarotra kokoa amin’ny olona ankavia sasany ny manoratra, satria mety handalo eo ambonin’izay vao nosoratany ny tanany.
Miankina amin’ny fomba fitazamany penina sy ny toerana ametrahany ny taratasy izany. Mety ho mora kokoa aminy, ohatra, ny manosika ny tanany rehefa manoratra fa tsy misintona azy tahaka ny ataon’ny olona havanana.
Izany ihany koa no mety hahatonga ranomainty hiraikitra amin’ny tanana sy tsy fahazoana aina amin’ny toerana sasany rehefa manoratra. Azo ovaina anefa ny fomba fihazonana penina sy ny fametrahana taratasy mba hanamora ny fanoratana.
Tsy aretina ny maha-ankavia ary tsy tokony “ahitsy”
Taloha, tany amin’ny fianakaviana sy sekoly sasany dia noterena hanoratra tamin’ny tanana havanana ny ankizy ankavia. Ankehitriny dia fantatra fa tsy ilaina ny manery ankizy iray hanova ny tanana ampiasainy ho azy.
Ny fanerena azy hanao izany dia mety hahatonga ny fianarana ho sarotra kokoa sy hampitombo ny fahasorenana. Ny tsara dia ny manampy azy hahay hampiasa tsara ny tanany ankavia sy manome azy fitaovana mifanaraka aminy.




