« Eau de rose » : ny vokatsoa entiny ho an’ny hoditra sy ny fampiasana azy
Isan’ireo akora voajanahary fikarakarana hoditra re matetika ny « eau de rose ». Efa nampiasana hatry ny ela amin’ny fikararana tarehy izy io, noho izy mampangatsitsiaka mahafinaritra, misy fofona malefaka ary manana fiasa mampitony ny hoditra. Fa inona marina àry ny tena vokatsoa azo avy amin’ny « eau de rose » ary ny ahoana ny fampiasana azy amin’ny fikarakarana ny hodi-tava ?
Inona no atao hoe « eau de rose » ?
Ny « eau de rose » dia azo avy amin’ny felan’ny raozy, amin’ny alalan’ny « distillation à la vapeur » na hoe fanalàna ny singa ao aminy amin’ny alalan’ny entona. Mitahiry ampahany amin’ireo akora manitra voajanahary hita anatin’ny raozy ny « eau de rose ».
Ilaina ihany nefa ny manavaka ny « eau de rose » tena azo avy amin’ny « distillation » sy ireo vokatra kosmetika izay manampy hanitra raozy fotsiny. Raha hampiasaina amin’ny fikarakarana hoditra, dia tsara kokoa ny misafidy « eau de rose » natao manokana ho an’ny hoditra, manana akora tsotra ary tsy misy alikaola mahery fanampiny.
« Eau de rose » : manampy mampitony ny hoditra mora « irritée »
Anisan’ny tombontsoa lehibe azo amin’ny « eau de rose » ny fahafahany manome fahatsapana mampitony sy mamelombelona ny hoditra. Mety hahafinaritra ny mampiasa azy rehefa avy manasa tarehy na rehefa andro mafana na rehefa tsy mahazo aina ny hoditra.
Mety amin’ny olona mitady « soins » malefaka izy io arak’izany. Na izany aza dia mila mitandrina ihany ny olona manana hoditra mora tohina na « sensibles » satria mety tsy hahazaka ity vokatra ity. Tsara àry ny manandrana azy amin’ny faritra kely amin’ny hoditra alohan’ny hampiasana azy matetika.
Manome fahatsapana mangatsiatsiaka sy mampahazo aina
Rehefa avy manasa tarehy dia mety hahatsapa fihenjanana na fahamainana kely ny hoditra. Ny fitsifirana malefaka na fanosorana « eau de rose » moramora eo aminy dia afaka manome fahatsapana mangatsiatsiaka sy mampahazo aina.
Tsara indrindra ny mampiasa azy rehefa mafana ny andro, rehefa avy nijanona fotoana ela teny ivelany na rehefa te hamelombelona ny tarehy fotsiny.
Afaka manampy amin’ny fitazonana ny hamandoan’ny hoditra
Tsy vokatra manome hamandoana ampy ny « eau de rose » irery, saingy afaka manampy amin’ny fikarakarana hoditra mba hitazonana ny hamandoany izy.
Mba hahazoana vokatra tsara kokoa, dia azo arahina « sérum » na « crème hydratante » mifanaraka amin’ny karazana hoditra ny fampiasana « eau de rose ». Ny tanjona dia ny hanampy ny hoditra hitazona ny hamandoana fa tsy hiantehitra amin’io vokatra io irery.
Ahoana ny fampiasana ny « eau de rose » amin’ny tarehy?
Mora ampiasaina amin’ny fikarakarana ny hodi-tava ny « eau de rose ». Rehefa avy manadio ny tarehy dia azo fafana amin’ny landihazo madio misy « eau de rose », na tsifirina amin’ny « vaporisateur » mivantana amin’ny hoditra.
Azo avela ho maina ho azy, na fafana moramora amin’ny tanana madio. Aorian’izay dia azo asiana « sérum » na « crème hydratante ». Azo ampiasaina maraina, hariva na indraindray mandritra ny andro, arakaraka ny filàn’ny hoditra.
Azo ampiasaina hanalana makiazy ve izy io?
Matetika dia tsy ampy hanalana tanteraka ny makiazy ny « eau de rose », indrindra raha makiazy maharitra ela na tsy mora afaky ny rano.
Azo ampiasaina kosa izy rehefa avy nanala makiazy sy nanadio tarehy, mba hanomezana fahatsapana mangatsitsiaka sy tony ny hoditra. Ho an’ny fanalana makiazy dia tsara kokoa ny mampiasa « démaquillant » na menaka natao manokana ho amin’izany.




