• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Poderm
Image
Fahalalana Ankapobeny

Fikafika natoraly hikarakarana ny hoho lasa mavo ?

29/07/2026 14:49 © Moov.Mg

Manaratsy endrika ny tanana ny hoho lasa mavo, satria toy ny hoe tsy voakarakara tsara na hoe tsy voadio tsara izy ireny. Maro ny antony mety mahatonga ny fiovan’ny lokon’ny hoho ho lasa ary indraindray ihany mety ho famantarana olana ara-pahasalamana mila jeren’ny mpitsabo izy io. Raha tsy avy amin’ny aretina ny antony nampiova ny lokon’ny hoho ho lasa mavo dia misy ireo fikafika natoraly azo atao ao an-trano hanatsarana tsikelikely izany.

Inona no mahatonga ny hoho ho mavo?

Alohan’ny hitadiavana ny fomba atao hanafotsiana ny hoho dia tsara aloha ny mamantatra ny antony mety nahatonga azy niova loko.
-Ny fampiasana « vernis » matetika, indrindra ireo loko matroka toy ny mena na mainty, dia mety hamela loko eo amin’ny hoho. Mety hahatonga ny rantsantanana sy ny hoho ho mavo ihany koa ny sigara.
-Mety hisy fiantraikany amin’ny lokon’ny hoho ihany koa ny fahanterana, ny tsy fahampian’ny fikarakarana, ny fampiasana vokatra simika sasany na ny faharatran’ny hoho miverimberina.
-Raha miloko mavo maharitra kosa ny hoho, mihamatevina, miova bika na misaraka amin’ny hoditra, dia mety ho vokatry ny « infection fongique » izany. Amin’izay fotoana izay dia tsy ampy ny fikarakarana atao ao an-trano fa tsara ny manatona mpitsabo.

Fikarakarana ny hoho lasa mavo : mampiasa voasarimakirana

Ny voasarimakirana dia isan’ireo voalaza matetika fa manampy amin’ny fampahazavana ny hoho lasa mavo noho ny hamafin’ny « acide » ao aminy. Mila fitandremana nefa ny fampiasana azy io, satria raha atao matetika loatra dia mety hampamaina ny hoditra sy ny hoho ary mety hahatonga « irritation ».
Raha te hanandrana ampiasa azy dia azo afangaro amin’ny rano kely ny ranom-boasarimakirana ary atsoboka vetivety ao anatiny ny hoho. Sasana tsara amin’ny rano avy eo ary asiana « crème » mampamandina ny hoditra. Fadiana ny mampiasa azy raha misy ratra kely na « irritation » eo amin’ny hoditra manodidina ny hoho.

Karibonetra : ampiasaina amin’ny antonony

Ny karibonetra dia manana toetra « abrasive » na hoe mikikitra malefaka ka mety hanampy amin’ny fanalana ireo loto na tasy eo ambonin’ny hoho. Afangaro amin’ny rano kely izy io mba hahazoana fangaro matevina.
Io fangaro io no apetraka moramora eo amin’ny hoho mandritra ny fotoana fohy, tsy kosehina mafy. Rehefa vita dia sasana tsara ny tanana. Tsy tokony hatao isan’andro anefa izany, satria mety hampahamaina na hampahalemy ny hoho raha ampiasaina tafahoatra.

Hamandinina ny hoho

Ny hoho maina dia mora vaky ary mety tsy hamirapiratra intsony. Noho izany, zava-dehibe ny manamandina tsy tapaka ny hoho sy ny hoditra manodidina azy.
Azo ampiasaina, ohatra, ny menaka voajanahary toy ny menaka « amande douce » na menaka jojoba. Hosorana moramora eo amin’ny hoho sy ny manodidina azy sady horina kely. Azo atao ihany koa ny mampiasa « crème hydratante ». Tsara raha manao izany rehefa avy manasa tanana sy alohan’ny hatory.

Lire la suite

Articles Similaires