Misy mangana amin’ny vatana nefa tsy voadona : inona no mety ho antony ?
Misy ny olona sasany no mahatsikaritra mangana tampoka eo amin’ny sandry na tongotra nefa tsy voadona. Tranga fahita izay matetika tsy mampanahy izy io. Raha miseho matetika sy tsy misy antony mazava kosa nefa ny mangana amin’ny vatana dia mety ho famantarana olana ara-pahasalamana miafina. Inona àry ireo antony mety mahatonga mangana amin’ny vatana nefa tsy voadona ?
Inona no atao hoe mangana?
Ny mangana dia vokatry ny fahatapahan'ireo lalandrà madinika eo ambanin'ny hoditra. Rehefa mitranga izany dia miparitaka ao anatin'ny sela manodidina ny rà ka mahatonga fiovan'ny lokon'ny hoditra. Matetika dia manomboka mena na volomparasy ilay izy, avy eo mivadika maitso na mavo, ary levona ho azy rehefa mandeha ny fotoana. Tsy voatery ho dona mafy no mahatonga mangana. Indraindray dia dona kely tsy tsikaritra akory dia ampy hisehoany. Ireto manarak’ireto ireo antony mahazatra mampisy mangana amin’ny vatana.
Dona madinika tsy tsaroana
Amin’ny fiainana andavanandro dia matetika isika mahavokasika fanaka, varavarana na zavatra hafa nefa tsy dia tsikaritra. Mety tsy ho voatahiry ao an-tsaina akory ireo dona madinika ireo, nefa afaka mamela mangana ora vitsivitsy na andro iray aty aoriana, indrindra amin'ny olona mora mangana. Io antony io no mahazatra indrindra mahatonga ireo mangana miseho tampoka eo amin’ny vatana.
Mihamanify ny hoditra rehefa mihantitra
Rehefa mandroso taona ny olona dia mihamanify ny hoditra ary mihena ny tavy miaro ireo lalandrà madinika. Vokatr’izany dia mora vaky kokoa ireo lalandrà rehefa misy dona kely. Izany no mahatonga ny zokiolona matetika ahitana mangana eny amin’ny tanana sy ny sandry na dia voadona kely aza.
Fototarazo
Misy karazan’olona manana lalandrà madinika marefo kokoa noho ny hafa. Mety ho avy amin’ny fototarazo izay lova ara-pirazanana izany ka mahatonga olona maro ao amin'ny fianakaviana iray ho mora mangana.
Tsy fahampian'ny vitamina
Ny sakafo tsy voalanjalanja dia mety hampitombo ny fisehoan'ny mangana. Anisan'ireo vitamina tena ilaina ny :
-Vitamina C, izay manamafy ny lalandrà.
-Vitamina K, izay ilaina amin'ny fampitsaharan-dra ara-dalàna.
Raha tsy ampy ireo vitamina ireo dia mety hiseho matetika kokoa ny mangana.
Fanafody sasany
Misy fanafody mety hampitombo ny « risques » hisian'ny mangana, toy ny:
-fanafody manalefaka ny rà (anticoagulants);
-fanafody manakana ny fitambaran'ny takela-drà (antiplaquettaires);
-fanafody manohitra ny fivontosana sasany (anti-inflammatoires).
Ireo fanafody ireo dia mety hampihena ny fahafahan'ny rà mivaingana na hampalemy ny hoditra.
Fanatanjahantena mafy
Ny olona manao fanatanjahantena mafy dia mety hahita mangana na dia tsy voadona aza. Ny ezaka be dia mety hampisy fahatapahana madinika amin'ireo lalandrà ao amin'ny hozatra ka miteraka mangana.
Mety ho famantarana aretina
Amin'ny tranga sasany, ny mangana miseho matetika dia mety ho famantarana aretina mila fitsaboana. Anisan'izany ny :
-olana amin'ny fivaingan'ny rà;
-fihenan'ny isan'ny takela-drà (plaquettes);
-aretin'ny aty sasany;
-aretina sasany mahazo ny rà.
Matetika ireo toe-javatra ireo dia miaraka amin'ny soritr'aretina hafa.
Rahoviana no tokony hanatona dokotera?
Tsara ny manatona mpitsabo raha:
-miseho matetika tsy misy antony mazava ny mangana;
-lehibe na tena maharary izy ireo;
-misy rà mivoaka matetika amin'ny orona na amin'ny hihy;
-nanomboka niseho taorian'ny nanombohana fanafody vaovao;
-misy havizanana be, fihenan-danja, na soritr'aretina hafa tsy mahazatra.
Afaka manao fizahana sy mangataka fitiliana rà ny dokotera mba hijerena ny fiasan'ny fivaingan'ny rà sy hahitana raha misy aretina miafina.




