Ireo olana ara-pahasalamana matetika ataon’ny lehilahy tsirambina
Maro ny lehilahy manana fahazarana manemotra ny fandehanana manatona mpitsabo. Mety izany noho ny tsy fahampian’ny fotoana, ny tahotra ny valin’ny fitiliana, na koa heveriny ho tsy zava-dehibe ny soritr’aretina sasany. Ny tsy firaharahiana ireo famantarana tsy mahazatra nefa dia mety hanemotra sy hanasarotra ny fitsaboana ny aretina sasany. Ireto avy àry ny olana ara-pahasalamana matetika tsy rarahian’ny lehilahy na ataony tsirambina mandritra ny fotoana maharitra.
Olana amin'ny fo sy ny lalandrà
Anisan'ny antony lehibe mahatonga fahafatesana eo amin'ny lehilahy ny aretin'ny fo sy ny lalan-drà. Na izany aza anefa dia mbola maro no tsy miraharaha ny soritr'aretina toy ny havizanana tsy mahazatra, fahasemporana rehefa manao ezaka antonony, fanaintainana eo amin'ny tratra, na fitempon'ny fo tsy ara-dalàna. Misy ireo mihevitra fa vokatry ny adin-tsaina, ny havizanana na ny fahanterana fotsiny ireto farany izany. Ny fanaovana fitiliana mialoha nefa dia afaka mamantatra aretina toy ny tosidra ambony na olana hafa amin'ny fo. Ny fahitana mialoha ireo olana amin’ny fo sy ny lalandrà ireo dia manampy betsaka amin’ny fandraisana an-tanana sy ny fitsaboana izany.
Olana amin'ny « prostate »
Mbola lohahevitra saro-pady ho an'ny lehilahy maro ny fahasalaman'ny « prostate ». Ny fahasarotana amin'ny fivoahan'ny pipy, ny filàna mipipy matetika, indrindra amin'ny alina, na ny fahatsapana fa tsy foana tanteraka ny tatavia dia mety ho famantarana olana amin'ny « prostate ». Indraindray moa mety ho aretina tsotra ihany ireo soritr’aretina ireo, nefa koa mety manondro olana mila fitsaboana.
Olana ara-tsaina
Misy fiantraikany amin'ny lehilahy ihany koa ny fahaketrahana, ny tebiteby ary ny rarintsaina maharitra na dia tsy voamarina ara-pitsaboana aza izany matetika. Noho ny tsindry ara-tsosialy na ny tahotra ny fitsarana avy amin'ny hafa, dia misy ireo lehilahy misafidy ny hanafina ny fahoriany ara-tsaina. Marihana nefa fa ny fahasosorana matetika, ny tsy fahitan-tory, ny fahaverezan'ny fahalianana amin'ny zavatra mahazatra, ny havizanana maharitra, na ny fiovan'ny toe-po dia tsy tokony hatao tsirambina fa mila fandraisana an-tanana sahaza.
Olana amin'ny fienjanan’ny filahiana
Lohahevitra mbola saro-pady amin'ny lehilahy maro ny olana amin'ny fienjanan'ny filahiana. Marihana nefa fa mety ho famantarana olana ara-pahasalamana hafa izany, toy ny aretin'ny fo sy ny lalan-drà, ny diabeta, na ny olana ara-hormonina sasany. Ny fanatonana mpitsabo dia afaka manampy amin'ny fanatsarana ny kalitaon'ny fiainana sy ny fitadiavana ny tena antony mahatonga izany.
Diabeta
Mety hivoatra mandritra ny taona maro ny diabeta karazana faharoa nefa tsy ahitana soritr'aretina mazava. Matetika ny fambara toy ny hetaheta tafahoatra, ny filàna mipipy matetika, ny havizanana be, na ny fihenan-danja tsy fantatra antony dia heverina ho vokatry ny fomba fiaina na ny fahanterana. Ny fitiliana sy ny fandraisana an-tanana mialoha ny diabeta nefa dia afaka misoroka fahasarotana lehibe amin'ny maso, ny voa ary ny fo.
Olana maharitra amin'ny fandevonan-kanina
Ny fanaintainana miverimberina amin'ny kibo, ny fahamaizana ao amin'ny vavony, ny fiovan'ny fivalanana maharitra, na ny fisian'ny rà ao amin'ny maloto dia tsy tokony atao tsirambina mihitsy. Mety ho vokatry ny aretina tsotra izany, saingy mety manondro aretina mila fitsaboana haingana ihany koa.
Fanaintainana maharitra
Maro ny lehilahy no mihevitra fa ara-dalàna ny fanaintainana maharitra amin'ny lamosina, ny tonon-taolana na ny hozatra noho ny asa na ny fahanterana. Na izany aza nefa, raha maharitra herinandro maromaro na miharatsy ny fanaintainana, dia ilaina ny manatona mpitsabo mba hamantarana ny antony.
Inona no antony tokony hanatona mpitsabo haingana?
Ny fanatonana mpitsabo rehefa misy soritr'aretina tsy mahazatra dia tsy midika akory fa misy aretina lehibe. Matetika ny fitiliana sy fitsaboana mialoha dia manampy amin’ny fanatsarana ny « chance » hahasitranana, ny fisorohana ny fahasarotana, ary ny fitazonana ny kalitaon'ny fiainana. Dingana lehibe amin’ny fitandrovana ny fahasalamana ny fihainoana ny vatana sy ny tsy fanovana tsinontsinona ireo famantarana mampiahiahy.




