« Drépanocytose » : aretin’ny rà manaranaka
Ny « drépanocytose » dia aretin’ny manaranaka izay mahazo olona an-tapitrisany maneran-tany, indrindra aty Afrika. Na dia efa eo am-pahaterahana aza izy io, dia mety tsy hitovy ny soritr'aretina sy ny fahasarotana aterany amin'ny olona tsirairay. Marihana anio 19 Jona ny andro maneran-tany hoan’ny « drépanocytose » ny amin’ity taona ity. Ny fahalalana bebe kokoa momba ity aretina ity dia manampy amin'ny fanatsarana ny fikarakarana sy ny kalitaon'ny fiainan'ireo voakasik'izany.
Inona ny aretina « drépanocytose » ?
Ny « drépanocytose » dia aretina manaranaka izay misy fiantraikany amin'ny sela mena ao anaty rà. Eo amin’ny olona voan’ity aretina ity dia misy tsy fetezana ny « hémoglobine », izay proteinina iray mitondra « oxygène » manerana ny vatana. Noho io tsy fetezana io dia miova endrika tsy ara-dalàna ny sela mena (globules rouges) ka lasa sahirana mandeha ao anaty lalandrà. Mety hifampitohitohy ihany koa moa ireo sela mena ireo ka hanakana ny fikorian’ny rà, izay mety hiteraka olana ara-pahasalamana maro.
Inona no mahatonga ny « drépanocytose » ?
Aretina « génétique » na manaranaka ny « drépanocytose ». Ampitain'ny ray aman-dreny amin'ny zanany izy io. Mety ho voan'ny aretina ny zaza iray raha mandova ilay « gène » tsy ara-dalàna avy amin'ny ray sy ny reniny izy.
Ny olona iray izay mitondra « gène » tsy ara-dalàna iray ihany dia antsoina hoe « porteurs sains ». Matetika izy ireo tsy mampiseho soritr'aretina, nefa afaka mampita ilay « gène » amin'ny zanany.
Inona avy ireo soritr'aretina ?
Mety hiseho hatramin'ny fahazazana ny soritr'aretin'ny « drépanocytose ». Ireto no isan’ny tena fahita :
-Havizanana maharitra noho ny tsy fahampian-drà,
-Fanaintainana mafy antsoina hoe « crise drépanocytaire »,
-Fivontosana amin'ny tanana sy tongotra amin'ny ankizy madinika,
-Mora tratran'ny areti-mifindra,
-Hatsatra ny hoditra sy ny molotra anatiny,
-Mora sempotra rehefa manao ezaka ara-batana.
Tsy voatery mitovy ny soritr’aretina sy ny hamafin’izany eo amin'ny olona tsirairay.
Inona avy ireo fahasarotana mety hitranga ?
Raha tsy voakarakara tsara ny aretina « drépanocytose » dia mety hiteraka fahasarotana maro. Ny « crises » manaintaina miverimberina dia mety hisy fiantraikany amin'ny taova maro ao amin'ny vatana.
Mety hisy olana amin'ny havokavoka, fo, voa ary maso ny marary sasany. Ankoatra izany dia mety hampidi-doza ny areti-mifindra mahery vaika, indrindra ho an'ny ankizy madinika. Noho izany dia ilaina ny fanaraha-maso ara-pitsaboana tsy tapaka.
Ahoana no ahafantarana ny aretina ?
Ny fitiliana dia atao amin'ny alalan'ny fitsirihana rà manokana izay mamantatra ny tsy fetezan'ny « hémoglobine ».
Any amin'ny firenena sasany dia efa atao avy hatrany aorian'ny fahaterahana ny fitiliana mba hahafahana manomboka haingana ny fitsaboana sy ny fanaraha-maso.
Ny fitiliana alohan'ny fanambadiana na alohan'ny fitondrana vohoka dia afaka manampy ny mpivady hahafantatra ny « risques » mety hampitana ny aretina amin'ny zanany.
Misy fitsaboana ve ?
Amin'izao fotoana izao dia mbola tsy misy fitsaboana afaka manasitrana tanteraka ny trangana « drépanocytose » rehetra. Na izany aza, misy fomba maro afaka mampihena ny soritr'aretina sy ny fahasarotana :
-Misotro rano ampy isan'andro,
-Mitsabo haingana ny areti-mifindra,
-Mihinana fanafody omen'ny dokotera mba hampihenana ny « crises »,
-Manao fampidiran-drà raha ilaina,
-Manaraka fanaraha-maso ara-pahasalamana tsy tapaka.
Amin'ny tranga sasany dia mety hanome fahafahana ho sitrana ny famindrana tsokan-taolana (greffe de moelle osseuse).
Ahoana no hiainana miaraka amin'ny drépanocytose ?
Afaka miaina sy manao ny asa andavanandro ny olona voan'ny « drépanocytose » raha manaraka fepetra sasany. Tsara ny misotro rano ampy, misoroka hafanana na hatsiaka be loatra, miaro tena amin'ny areti-mifindra ary manaraka tsara ny toromariky ny mpitsabo. Zava-dehibe ihany koa ny fanohanan'ny fianakaviana, ny sekoly ary ny toeram-piasana mba hanatsarana ny fiainan'ny marary.




