• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Passion Santé
Image
Fahasalamana&Sakafo

Marary andoha rehefa tsy misakafo ara-potoana : inona no antony ?

24/06/2026 08:14 © Moov.Mg

Maro ny olona mahatsapa marary andoha rehefa tsy misakafo ara-potoana na nandingana sakafo noho ny fahasahiranana, ny fanadinoana, ny « régime »… Matetika dia vokatry ny fiovan-javatra miseho ao anatin’ny vatana no mahatonga ny aretin’andoha rehefa tsy misakafo ara-ptoana.

Mihena ny tahan’ny siramamy ao anaty ra

Mila siramamy (glucose) hatrany ny atidoha mba hiasa tsara. Rehefa ela loatra ny olona iray no tsy misakafo dia dia mety hihena ny tahan’ny siramamy ao anaty ra. Io fihenan’ny siramamy io dia mety hiteraka soritr’aretina toy ny aretin’andoha, fahalemena, fanina, fahasarotana mifantoka ary fahasorenana. Na dia manana tahirin’angovo aza ny vatana, dia misy olona « sensibles » kokoa amin’ny fiovan’ny tahan’ny siramamy ka mora mahatsapa tsy fahazoana aina rehefa tsy misakafo.

Vokatry ny tsy fahampian-drano

Matetika ny olona tsy misakafo ara-potoana dia mety tsy misotro rano ampy ihany koa. Ny tsy fahampian-drano nefa, na kely aza, dia efa mety hahatonga aretin’andoha. Ny atidoha dia mora voakasiky ny fiovan’ny tahan’ny rano ao amin’ny vatana ka izany no mahatonga ny tsy fahampian-drano hampitombo ny fanaintainana.

Fihetsiky ny vatana manoloana ny tsy fahampian-kery

Rehefa tsy ampy angovo ny vatana rehefa tsy nisakafo ela dia mamoaka hormonina sasany, toy ny « adrénaline » sy « cortisol », mba hanampy azy hiasa ara-dalàna hatrany. Io fiovan’ny hormonina io dia mety hiteraka aretin’andoha eo amin’ny olona sasany.

Mitombo ny fihenjanan’ny hozatra

Ny hanoanana dia mety hiteraka havizanana, adin-tsaina ary fahasorenana. Ireo toe-javatra ireo dia mety hampihenjana ny hozatry ny vozona, ny soroka ary ny loha. Rehefa mitranga izany dia mety hipoitra ny aretin’andoha vokatry ny fihenjanan’ny hozatra.

Mora tratra kokoa ny olona voan’ny « migraine »

Ho an’ireo olona manana « migraine » dia anisan’ireo antony mety hampipoira « crises » ny tsy fisakafoana ara-potoana. Ny faharetan’ny fotoana tsy isakafoanana dia mety hanakorontana ny fiasan’ny atidoha ka hampisy « migraine ».

Ahoana no atao hisorohana izany?

Mba hisorohana ny aretin’andoha vokatry ny tsy fisakafoana ara-potoana dia tsara ny:
-Misakafo amin’ny ora voafaritra sy tsy miovaova loatra,
-Tsy mamela ny tena ho noana ela,
-Misafidy sakafo voalanjalanja misy « glucide », proteinina ary fibra,
-Mitondra « gouter » kely mahasalama raha sanatria ka tara misakafo,
-Misotro rano ampy mandritra ny tontolo andro.

Lire la suite

Articles Similaires